FILANKEVITRA MONISIPALY Hasiam-panovàna ny sata mihefy azy

Noraisin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, tetsy amin’ny Lapan’Anosikely ny solontenan’ny Fikambanan’ireo Filohan’ny Filankevitra Monisipalin’ireo tanan-dehibe manerana an’i Madagasikara toa ny any Antsiranana, Mahajanga, Antananarivo, Fianarantsoa, Taolagnaro, Nosy Be, Sainte Marie. Tanjona ny hijerena manokana ny sata mahakasika ny Filankevitra Monisipaly manerana ny Nosy, mba ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Nitondra soso-kevitra ho fanovàna lalàna ihany koa ity fikambanana ity. Raha tsiahivina, hanatsara ny fifandraisana amin’ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, indrindra amin’ireo ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny tanàna, ny fanamby napetrak’ireo loholona vaovao, satria miahy mivantana ny kaominina ny eo anivon’ny Antenimierandoholona.

Vous aimerez aussi