Natsahatra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fanatanterahana ny tsena lehibe isan-kerinandro fanao eny Andravoahangy, Isotry ary Mahamasina. Fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisina noho ny fiakaran’ny antontanisan’ireo voan’ny covid- 19 taty anatin’ny andro vitsy, hoy ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra.
Tapaka fihinanana, mila tohana
Vokatry ny fampiatoana ireo tsena lehibe eto an-drenivohitra, mpivarotra miisa manodidina ny 13 000 no tsy afaka miasa izay hampitombo isa indray ireo efa tsy an’asa hatramin’izay. Mitaky marindrano ny amin’ny tokony hanampiana azy ireo, araka izany, ireto mpisehatra amin’ny varotra teny Isotry, Andravoahangy ary Mahamasina ireto.
Niandry sy nanantena fatratra, kanjo…
Ny mahavalalanina, niandry fatratra izay fepetra amin’ny hanohizana sy hampitomboana bebe kokoa ny fanampiana ara-tsosialy avy amin’ny filohan’ny Repoblika ny Malagasy, omaly alahady, nandritra ny lahateniny, saingy indrisy fa tsy nasian’ny filoha hajaina resaka akory ny momba izany.
Moa ve tsy handeha ila toy ny kiraraon’i Beminahy ihany ny fepetra hentitra takiana amin’ireo mponina toy ny fanohizana ny fihibohana, hahafahana miady amin’ny covid- 19, raha ny fiahiana ara-tsosialy avy amin’ny fanjakana aza manify dia manify mba tsy hilazana hoe zara raha (n)misy. Mila mangaharaha ihany koa ny fitantanana ireo fanampiana azo etsy sy eroa sao misy ny manao salobo-komana toy ny efa fahita hatramin’izay ka ho tari-drano ankilahila indray ny mania no betsaka.
Miandry sy miandrandra fatratra ny fiahiana azy ireo bebe kokoa avy amin’ny mpitondra ny vahoaka mba hahafahan’ireto farany miatrika ampahatoniana ny fihanaky ny valanaretina covid- 19. Hatreto aloha, mahatsiaro tena ho miady irery amin’ny famahana ireo olana ara-tsosialy mianjady aminy, toy ny sehatry ny fitadiavana izay harapaka, ny tsifandriampahalemana, ny tsy fahampian’ny famatsiana rano ny Ambanilanitra. Sao hoe : « Miandry fa gasy » indray àry ty e !. Ela loatra ka mampieritreritra, hoy kosa ny hafa.