FIKAONAN-DOHAM-PIRENENAN’NY FANABEAZANA Handray anjara amin’ny alalan’ny “Karajia” ny Tily eto Madagasikara

Ny zoma 24 Janoary 2025, teny amin’ny FLM Isoraka, no nampahafantarin’ny Tily eto Madagasikara, fa hanatanteraka Fikaonan-doham-pirenenan’ny Fanabeazana Skoto eto Madagasikara, izy ireo. Ny 22 sy 23 mai eny amin’ ny Tranombitsika Antsahamarofoza no hanatanterahana izany, izay antsoina hoe “Karajia”.

“Ny fifandraisana siantifika dia ny andrim-pisian’ ny Skotisma eto Madagasikara. Ny Skotisma any ambanivohitra. Ny fitantanana sy ny fampiofanana ireo tompon’ andraikitry ny Skoto. Ny fanabeazana tsy ara- drafitra”, no lohahevitra hodinihana mandritra ireo roa andro. Ny fehi-kevitra hivoaka amin’ ireo lohahevitra ireo no hikaonan-doha. Antony hanasan’ny tomponandraikitra mpikarakara ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny lafiny fanabeazana handray anjara amin’ izany. Hatramin’ ny 24 martsa no fara-fisoratana anarana amin’ity hetsika ity ao amin’ny mailaka karajia.tem@gmail.com. Vina apetraky ny Tily eto Madagasikara amin’izao sehatra hametrahana ny politikam-panabeazana eto Madagasikara izao ny hanova ny fihetsika amam-pitondran-tenan’ny tsirairay amin’ny alalan’ ny fanabeazana manoloana ny ambana manimba ny firenena. Ny Tily eto Madagasikara dia fikambanana manabe ny rehetra ho olom-banona. Anisan’ireo nankalaza ny andron’ny fanabeazana izay nomarihina ny 24janoary araka izany ihany koa ny Tily eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi