FIKAMBANAN’NY BEN’NY TANANA MIVONDRONA AO AMIN’NY IPAM Tanjona ny hanajariana an’Antananarivo sy ny manodidina

Miteraka olana eo amin’ireo kaominina miisa 37 manodidina an’Antananarivo sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa eo amin’ny lafiny fanadiovana sy ny fidiovana. Mampitombo ihany koa ny fako izany ka miteraka olana eo amin’ny sehatry ny fitaterana.

Ny hijerena vahaolana miaraka amin’ireo olana sedrain’ny kaominina rehetra ireo no laharam-pahamehan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo kaominina miisa 37 manodidina an’Antananarivo izay nanatontosa fivoriam-be ara-potoana, ny alakamisy 13 martsa 2025, teny Andavamamba. Ireto kaominina miisa 38 ireto izay mikambana ao amin’ny IPAM na ny « Ivom-Panajariana ny tanànan’ Antananarivo syn y manodidina » ireto izay hijery ny hanajariana amin’ny tsara kokoa ny fitantanana ny tany, ny fitaterana sy fivezivezena sy ny fitantanana ny fako ary ny fanadiovana sy fikarakarana ny rano maloto manomboka izao. Ny fikambanana IPAM izay niforona ny 11Jolay 2019 dia mampiray ny kaominina miisa 38.

Tanjon’ny IPAM ny mba hampiroborobo ny fandrindrana sy hahitana vahaolana maharitra amin’ny olana iombonana amin’ny fanajariana an’Antananarivo sy ny manodidina. Tanjon’ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna mivondrona ao amin’ny IPAM araka izany ny hanajary an’Antananarivo sy ny manodidina. Ny IPAM dia nampahafantatra ny andraikitra sy ny tanjony indrindra fa ny fepetra amin’ny fanavaozana ny fidiran’ny mpikambana. Ny latsakemboka sy ny famatsiam-bola ho an’ny IPAM nandritra ity fivoriambe ara-potoanan’ny IPAM ity. Nifidy izay ho filohan’ny Filan-kevi-pitantanana ihany koa ny fikambanan’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina miisa 38 tamin’ity fivoriam-be ara-potoana ity. Voafidy ho filoha tamin’izany ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampitatafika, Ramparaoelina Rado, no filohan’ny Filan-kevi-pitantanana teo aloha.

Ity Fivoriam-be ara-potoanan’ny Fikambanana IPAM izay notontosaina ny alakamisy 13 martsa 2025, teny Andavamamba, ity dia niarahan’ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ireo Ben’ny tanàna miisa 37 avy amin’ny kaominina manodidina sy ny solon-tenan’ny Minisiteran’ny Ekonomia sy ny Fitantanam-bola (MEF) ary ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (MADT), araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi