FIKAMBANANA « MPANANGANA NY EFA RAVA ELA » « Olana ara-panahy no misy eto »

Mevasher Andrianandrasana Jean Fidèle, nanorina ny fikambanana « Mpanangana ny efa rava ela ».

Fahitana « révélation » tao amin’ny Mevasher Andrianandrasana Jean Fidèle, tany amin’ny manodidina ny taona 2007, izay nanafatra azy ny tsy maintsy hanambarana ny fahamarinana takian’ny baiboly « Tanakh » amin’ny Malagasy rehetra no antom-pisian’ny fikambanana « Mpanangana ny efa rava ela ». Ny volana Desambra 2018 no nijoro ara-panjakana ny fikambanana. Anarana notsoahina avy ao amin’ny (Isaia 58-12).

Ankehitriny, simba ny fiarahamonina malagasy, rava ny soatoavina. Vokany, mahantra ara-panahy sy ara-nofo ny maro anisa amintsika mponina eto amin’ity Nosy misarin-tongotra ankavia ity. Tsy tokony ho hadinoina tokoa mantsy fa ny ara-panahy no mitarika ny ara-nofo. Tsotra ny antony mahatonga izany, hoy i Mevasher Andrianandrasana Jean Fidèle dia noho ny Malagasy tsy matahotra ny « Avo indindra » sy mandika hatrany ny lalàn’ny « Avo indrindra » izay antoka iray goavana sy sarobidy ahafahana mandrindra ny fiarahamonina. Manjaka loatra ny fitiavan-tena, tsy voahaja intsony ny hasin’ireo Zoky Ray aman-dreny, ireo mpitondra tena sy kamboty. ireto farany izay tsy misy mpitsinjo sy mpiahy intsony. Mianga ao an-tokantrano sy eo anivon’ny ankohonana ny famerenana ilay fifankatiavana lalina izay nanjakan’ny fitoviana mifototra hatrany amin’ny fahamarinana voarakitra anatin’ny « tanakh » (baiboly) Manomboka ety an-tany ny « paradisa » raha toa ka tokatrano mifankatia sy mpiara-monina mahay mifampitsinjo no misy anatin’ny firenena iray. Mila hajaina sy toavina ihany koa ny antana-toham-piaraha-monina mba hampirindra tsy misy tomika ny fiaraha-miaina. Tokony hiara-dalana amin’izany ihany koa ny fanatanterahana ny fankalazana ireo fety voatendrin’ny « Avo indrindra » toy ny fanolorana ny lahimatoa, ny « shavuot » (Pentekosta), « pesakh » (Paska), sns mba hitosaka ny fitahiana avy aminy. Tsy ny Vahoaka ihany no mila manova toe-tsaina ho amin’ny fandalana ny fahamarinana izay tovozina anatin’ny fampianarana tsy misy kilema fa eo indrindra koa ireo « Mpitondra » (Mpanao politika) izay baikon’ny fitiavam-bola sy fahefana ary voninahitra ka zary mandika tsotra izao sy tsy amin-tahotra ny lalàn’ny « Avo indrindra ».

Antso avo, araka izany, no ataon’ny Mevasher Andrianandrasana Jean Fidèle amin’ireo manam-panahy sy manantena fa mbola azo atao tsara ny manova ny toe-tsain’ny Malagasy handala ny fahamarinana indray raha misy ny fiaraha-mientana sy ny fahavononana hiditra anatin’ny tena fivavahana marina eken’ny « Avo indrindra » Ireo rehetra ireo no antoka hamerina amin’ny laoniny indray inty fiarahamonina potika sy rava noho ny saina miharatsy sy mirona mankany amin’ny maha biby inty. Andraikitra goavana no efa intsorohan’ny fikambanana « Mpanangana ny efa rava ela » izay manana ny foibeny etsy amin’ny Cité Itaosy (Kininina be) amin’ny alalan’ny fampitana ireo fampianarana marina tsara ho fantatra sy fiaraha-mivavaka isaky ny Sabotsy maraina ao amin’ny foibeny. Efa misy ihany koa ny sampana any Itasy, Moramanga, Alarobia vatosola, sns. Ho avy tsy ho ela ny any Mahajanga.

Vous aimerez aussi