FIKAMBANANA « IRAY ISIKA » Mijoro hamonjy fanahy sy hanabe ho « Olom-banona »

Tsy afa misaraka ny fanabeazana sy ny famolavolana ny fanahy, ny vatana ary ny saina raha te hanana Olombelona vanona ny firenena iray. Mifototra amin’izany indrindra ny antony nananganan’ny Pasitera Arinelina ny Fikambanana Kristianina « Iray isika ». Ity farany izay ivondronan’ireo Kristianina resy lahatra ny hitory ny filazantsara amin’ny alalan’ny hira, teny, asa soa amin’ny endriny marolafy. Tanjona goavana sy tokana ny hahafahana mamonjy ny fanahin’ny isam-batan’olona sy tsy ho diso anjara amin’ny fitahiana avy amin’ny vavaka izay hataon’ny tsirairay.

Nomarihan’i Pasitera Arinelina fa tsy manavaka finoana ary na ireo tsy mino mihitsy ny fisian’Andriamanitra aza dia misokatra malalaka ho azy ireo ny varavarana etsy amin’ny « Zaimaika » Analakely, isaky ny Talata tolakandro manomboka, amin‘ny roa ora. Fotoana anatanterahana ny fotoam-pivavahana fitaizam-panahy, fangataham-pitahiana, fanaovana hira fiderana ary fandraisana ireo mpikambana mila fihaonana manokana amin’ny Pasitera Arinelina. Anisan’ny voizina ao amin’ny fikambanana « Iray isika » ny faha ela velona eo amin’ny Zanak’Olombelona. Azo ambara ho tso-drano sy faminaniana azo avy amin’ireo ray aman-dreny izy ity, hoy ny Pasitera Arinelina koa ezahana hatrany ny hampitana izany amin’ireo mpikambana. Sokajin-taona sy Olona maro no mandrafitra ny fikambanana « Iray isika » Misy ireo efa Zokiolona, tanora ary ankizy. Marihana fa misy ny « Fanatitra » sy ny « Famafazana » eo anivon’ny « Iray isika » tsy an-tery anefa ny fanatanterahana izany, hoy hatrany ny Pasitera Arinelina. Ny fananana finoana mafy orina an’Andriamanitra ihany no antoka iray lehibe hahazoana ny fitahiana sy ny fahasitranana amin’ny endrika aretina marolafy, sns hoy hatrany ny Pasitera Arinelina. Marihana fa mifototra tanteraka amin’ny baiboly ny fampianarana zarain’ny Fikambanana « Iray isika » ary mihira ny hiram-pivavahana rehetra.

Vous aimerez aussi