FIKAMBANANA « FZMMRA » Amperinasa tanteraka

Fikambanan’ny Zanadrano Mpitsabo Mpikaroka Raokandro malagasy Atsimondrano. Io no fanalavana ny fikambanana « FZMMRA ». Ity farany izay misahana sy misehatra manokana ny fiarovana sy ny fikarakarana ireo vakoka malagasy toy ny Doany, ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana manerana ny Nosy. Ny hamelo-maso hatrany ny nentim-paharazana hita fa mahasoa ny Malagasy tsy ankanavaka mandraka ankehitriny, araka izany, no antom-pisian’ny « FZMMRA », izay tarihan’ny filoha nasionaliny Randrianantenaina Jean Emicaël.

Nomarihana tamin’ny fanatanterahana ny vavasa ho amin’ny fanamboarana ireo tohatohabato ahafahana manamora ny fitsidihana ny Doanin’ny Dadabe Rakotomaditra izay miorina ao amin’ny fokontany Ambohimasimbola, Kaominina Ankadivoribe Soalandy, ny sehatrasan’ny « FZMMRA », ny Sabotsy teo. Nanterin’ny filohan’ity fikambanana ity nandritra ny fanatanterahana ny asa fa ilaina ny fiaraha-mientana eo amin’ireo samy mpikambana mba ahafahana manatontosa antsakany sy andavany ny adidy goavana mbola miandry ny « FZMMRA » toy ny fiarovana sy ny fanamboarana atao amin’ireo Doany misy manerana ny Nosy ary ny fiahiana ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana sy ireo mpikirakira izany eto Madagasikara. Nanteriny ihany koa fa tsy misy afaka mitsabaka amin’ny asan’ny « FZMMRA » ary efa nahazo ny fankatoavana feno sy ny tsodranon’ny avy eo anivon’ny Minisitera mpiahy sy ireo manam-pahefana isan’ambaratongany izy ireo amin’ny fanatanterahana ny sehatrasany. Nanao antso avo ihany koa ny lehilahy ho an’ireo tsara sitrapo sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay vonona hifanome tanana amin’ny fikambanana.

Hitohy ny Sabotsy 25 novambra ho avy izao, hanomboka, amin’ny 09 ora maraina, eny amin’ny Doanin’ny Dadabe Rakotomaditra, fokontanyAmbohimasimbola, kaominina Ankadivoribe Soalandy, ny fanohizana ny asa ho amin’ny fanamboarana ny tohatohabato ary hisy ihany koa ny fanatanterahana ny fivoriam-be iarahan’ireo mpikambana rehetra eny an-toerana. Ireo rehetra te hitondra ny anjara birikiny dia afaka mametraka izany ao amin’ny Doanin’ny dadabe Rakotomaditra.

Vous aimerez aussi