Ny kaominina Antananarivo Renivohitra no hitsinjara ireo fanampiana nomen’ny fikambanana Fifanampiana Malagasy, hoy atoa Nasolo Christopher, mpikambana ao anatin’ny birao foibe. Nambarany, fa manana traikefa amin’ny fizarana fanampiana ny kaominina, ka antony nanoloran’izy ireo ny fanampiana ny fiadidiana ny tanàna.
Vary 100 gony, menaka 96 baoritra, siramamy 25 gony, arovava 1.000 no natolotry ny fikambanana Fifanampiana ho an’ny kaominina, ny alakamisy lasa teo, tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Antony, hoy ny mpikambana dia tolo-tanana izao ary omena ireo sahirana ary ny kaominina no hizara izany mba ahafahan’izy ireo misitraka sy miatrika ny valan’aretina coronavirus. Olona manodidina ny 1500 no ezahina hahazo izao fanampiana izao. Araka ny fanazavan’ny fikambanana, dia ho fanajana ny fepetra, dia sarotra ny manangona olona ary tsy azo atao, ka nahatonga ny fikambanana nanatitra ireo fanampiana ireo tany amin’ny kaominina. Matoky ny kaominina ny fikambanana, fa ho tonga any amin’ireo sahirana izao fanampiana izao. Araka ny fantatra koa dia manana olona sy mpikambana sahirana ny fikambanana Fifanampiana. Efa nojerena manokana izy ireny, hoy ny fikambanana. Nanampy ny fikambanana tamin’izao fanomezana izao ihany koa ny “Secours Populaire Français” na SPF. Tsy mahavita na inona na inona ireo fanampiana ireo, hoy hatrany atoa Nasolo Christopher, fa miezaka ny manampy ireo sahirana ny fikambanana. Marihana, fa manao asa soa ary manome fanampiana ireo sahirana ny fikambanana, hoy hatrany ny fanazavany.
![](https://i0.wp.com/www.agencemalagasydepresse.com/media/2019/10/initial-amp.png?resize=100%2C100&ssl=1)