FIHANAKY NY COVID-19 ANALAMANGA Taitra tamin’ny torimasony ny CCO ?

Ela ny ela ! Nandrenesam-peo ihany, omaly, ny avy eo anivon’ny foibem-pibaikoana sy fandrindrana ny ady atao amin’ny covid- 19 « CCO » eny Ivato, manoloana ny fihanaky ny covid- 19 eto Analamanga, izay mihazakazaka tokoa tato anatin’ny andro vitsy. Taitra tamin’ny torimasony ireo tomponandraikitra.

Handray fepetra vaovao sy henjana

Raha toa ka nasaina nanatanteraka asa mahasoa ho an’ny daholobe toy ny fanadiovana arabe, zaridaina sy ny fanadiovana tatadrano ireo rehetra tsy nanao arovava rehefa mivoaka ny trano hatramin’izay. Hiroso amin’ny fisamborana avy hatrany ireo tsy manao arovava eny an-dalambe manomboka anio, ny avy eo anivon’ny « CCO » izay miara-miasa amin’ireo mpitandro ny filaminana. Ho henjana, araka izany, ny sazy miandry ireo tratra tsy manao arovava.

Hamafisina ihany koa ny fanaraha-maso ny fampiharana ireo fepetra anatin’ny hamehana ara-pahasalamana toy ny tsy fahazoana manantanteraka hetsika ara-kolontsaina, fanatanjahatena ary ny fampitsaharana ny asa rehetra aorian’ny amin’ny 05 ora hariva. Ny fanajana ny elanelana 01 metatra izay mbola sarotra ny fanatanterahana azy eto Analamanga.

Natsidiky ny avy eo anivon’ny « CCO » fa azo atao ny firosoana amin’ny fanidiana tanteraka ny faritra Analamanga raha toa ka ilaina izany ho fiarovana ny ain’ireo mponina manoloana ny fihanaky ny covid- 19. Manentana hatrany ny mponin’Iarivo ny avy eo anivon’ny « CCO » hanaraka antsakany sy andavany ireo fepetra ara-pahasalamana ho amin’ny fiarovana ny isam-batan’olona.

Vous aimerez aussi