Fifamoivoizana : Ho voafetra ny fivezivezen’ny posy sy sarety

Amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 10 ora sy amin’ny 12 ora antoandro ka hatramin’ny 2 ora tolakandro dia tsy azon’ny posy sy ny sarety intsony ny mifamoivoy eto amin’ny araben’Antananarivo-Renivohitra. Fepetra noraisin’ny prefektiora ka mihatra nanomboka ny alatsinainy 03 jona teo izany.

Tsy vitan’izany fa ferana ho 1,5 taonina ihany koa ny vesatra azon’izy ireo entina. Ary raràna tanteraka ny fidiran’ny saretin’omby, izay misy hazo na vy, satria manamora ny fahasimban’ny arabe izany.
Hisy noho izany, ny sazy henjana ho an’ireo minia mandika izany fepetra izany, satria tsy vitan’ny lamandy tahaka ny taloha intsony no hihatra fa fakana na fanapotehina mihitsy ireny fitaovana ireny.
Ary mba hisian’ny fanaraha-maso dia hanana famantarana na “badge” ireo mpitatitra tsirairay. Entanina, araka izany, ireo tompona sarety sy posy mba hikarakara izany “badge” izany.

Ambotaiazy

Noraisina izao fepetra izao, ahazoana mandrindra indray ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra sy ny manodidina, izay miaina fitohanana isan’andro isan’andro. Raha ny tokony ho izy aza moa dia tsy tokony hiakatra an-tanàn-dehibe velively ny posy sy sarety, tahaka ny fahita any amin’ny tany mandroso, saingy voalangolango amin’ny hoe fitsinjovana ny madinika hatrany.
Efa manampy trotraka izany ny tsy fahaiza-mandrindra ireo taxibe maro dia maro eto an-drenivohitra, izay tena fototry ny ambotaiazy. Tokony ho “arrêt rapide” avokoa ny fijanonan’ny taxibe, ka manala dia mampiakatra ny mpandeha no atao.

Volabe no very

Raha eto amintsika dia tsy mbola voafaritra loatra ny vola very ateraky ny ambotaiazy. Ho an’I Frantsa dia mitentina 2.156.000 Ar isan-tsegondra, izay tafakatra 68.000 miliara Ar isan-taona ny vola very aterak’ity fitohanana ity. Tafiditra mivantana amin’izany ny vidin-tsolika sy ny fahaverezan’ny fotoana. Eo ihany koa anefa ny vidin’entan’ireo tranombarotra samihafa.
Raha olona miasa tokony hamokatra no diso fidirana adiny iray monja dia efa volabe no very raha an-tapitrisany ny olona tratran’ny ambotaiazy.
Ho antsika, maro no tsy dia mahatakatra izany satria toa efa zary fiainana ny fitohanana. Vitan’ny tsotsotra fotsiny hoe: “Tsy maika e!” – “Tsy maka lagy e!”, sns…

Mahalala ny tompon’andraikitra

Efa mahalala tsara ny voka-dratsin’ity fitohanana ity izao ny tompon’andraikitra ambony, satria tsy azon’izy ireo natao intsony ny mampaneno anjomara ka hisongonany ny fiara rehetra.
Tsy vitsy koa ireo olon-tsotra miaina ity ambotaiazy ity ary samy mifanolotra hevitra. Hita izany ao amin’ny tambazotra facebook “Fifamoivoizana eto Madagasikara”, izay ahitana mpikambana miisa 215 866 hatreto.
Tsapa, araka izany, fa tompon’andraikitra amin’ity raharaha ity ny maro. Tsapa manko fa miha-maro ny mpampiasa ny arabe. Ankoatra ny mpivarotra teny amin’ny “trottoir” izay efa midina eny dia tsy mitsaha-mitombo ny moto, ny bisikileta, ny kamiao,….
Eo rahateo ihany koa ny ezaka fanamboaran-dàlana hita eto an-drenivohitra, izay irin’ny maro mba hanao ny asany amin’ny alina, mba tsy hanelingelina sy tsy ho voaelingelina, satria roa herinandro vao mahavita 200 m ireo mpanamboatra.

Diso aoriana ny fanaovan-dàlam-baovao

Tsy mifanahaka amin’ny fitombon’ny mponina eto an-drenivohitra velively ny fisian’ny fanaovan-dàlana vaovao. Tamin’ny fitondran-dRavalomanana no mba nisy ny fanaovana làlana lehibe, toy ny By-pass, làlan’I Eoropa… ka mampihena amin’ny ampahany ihany ny fitohanana.
Toa tsy mbola ahitam-bahaolana mihitsy anefa ny faritra maro toa an’Ambohibao, Ilafy, Itaosy, Anosizato, Ambanidia,…
Ny vaha-olana mba misongadina izao dia ny fiaingana vao maraina kokoa ary mody aoriana kokoa, ho an’ireo olona afaka manao izany. Ho an’ny mpianatra dia tokony hampiraisina amin’ireny “bus scolaire” ireny izy ireo.

Ramanana

Vous aimerez aussi