Antom-pijoroan’ny fikambanana “Down Syndrome Madagascar-DSM” eto amintsika ny hitan-tsoroka ireo zaza hafakely na ireo ankizy manana toe-batana trisomika. Tanjona ny hanala sahirana ireo ray aman-dreny eo amin’ny fitaizana azy ireo fa tsy tokony ho vesatra ho an’ireo ray aman-dreny na hampisaraka mpivady ny fananana zanaka manana toe-batana trisomika.
Antony hanoloran’ny fikambanana hevitra ireo ray aman-dreny ireo mba hampivoatra kokoa ireo ankizy manana toe-batana trisomika eo amin’ny fifandraisan’ny roa tonta indrindra fa ny fifampitondrana sy ny fikarakarana ao an-tokantrano. Ireo zaza hafakely ireo izay miavaka ka ilaina ny miatrika zavatra maro samihafa eo amin’izay fitaizana azy ireo izay indrindra fa ireo izay mbola tsy tafiditra ao anaty fikambanana misahana ireny ankizy manana toe-batana trisomika ireny. Ireo ray aman-dreny izay mampihanta kokoa ireo zaza hafakely ireo noho ny mpiray tampo aminy satria mihevitra ireo ray aman-dreny ireo fa tsy misy antenaina intsony amin’ilay zanany trisomika. Ny fikambanana araka izany dia mametraka mialoha arofanina eo amin’ny fanabeazana ny ankizy manana toe-batana trisomika. Izany indrindra no hiarahan’ny fikambanana “Down Syndrome Madagascar” miasa amin’ny “BGI”. Ity farany izay manao fitiliana dieny mialoha ireo reny bevohoka ny toe-pahasalaman’ny zanany. Raha sanatria ka mitondra vohoka zaza hafakely ireo ray aman-dreny ireo dia mba afaka miomana mialoha amin’ny fandraisana ny fitaizana ilay zanany manana toe-batana trisomika izy ireo. Tara ara-tsaina kokoa raha miohatra amin’ireo namany matetika ireny zaza hafakely ireny. Izany fahatarana izany anefa tsy hita raha tsy rehefa mandranto fahaizana amam-pahalalana any an-tsekoly ireo zaza hafakely ireo.
Hetahetan’ny fikambanana “Down Syndrome Madagascar” ny hisian’ny olona afaka manohana ireo ankizy manana toe-batana trizomika ireo rehefa hiatrika ny fanadinam-panjakana fa tsy avela ho irery izy ireo na sanatria ka hanilika azy ireny. Ny fikambanana “Down Syndrome Madagascar” manokana izay efa nahitana ankizy niisa roa niatrika izany fanadinam-panjakana izany. Isaky ny 21 martsa no hankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny ankizy trisomika. Anisan’ireo nanamarika izany ny fikambanana “Down Syndrome Madagascar”. Hetsika isan-karazany no nanamarihan’ny fikambanana izany, teny Mahamasina. Teo aloha ny fotoam-pivavahana nanokafana ny fotoana sy ny fandraisam-pitenenana maro samihafa. Nisy avy eo ny fanolorana loka ireo ankizy trisomika voafidy ho “Miss sy Mister 2025” izay nokarakarain’ny fikambanana tamin’ny alalan’ny tambajotra “facebook”. Nifampitaona tamin’ny fikambanana “Down Syndrome Madagascar” ireo mpikambana ao aminy sy ireo mpiara-miasa aminy ary ireo tompon’andraikitra ara-panjakana izay tonga nanotrona ny fikambanana, tamin’io fotoana io. Ny hariva dia nikarakara « Light Up » teny alohan’ny Lapan’ny tanana Analakely, ny fikambanana.
Ny andiany fahasivy tamin’ity fankazalana ity no notontosain’ny fikambanana “Down Syndrome Madagascar”, tamin’ny 1 martsa 2025 raha efa tamin’ny taona 2011 no nankalaza izany ny maneran-tany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana “Down Syndrome Madagascar”, Razafinjatovo Laza Daniella.
