Mampihoron-koditra ny fahitana sy ny fahenoana saika isanandro vaky etsy sy eroa ireo trangana famonoan’olona amin’ny fomba feno habibiana, fanolanana, halatra, tsy fanajana ny aina manan-kasina eto Madagasikara. Toa lasa fahazarana sy tsy mahataitra loatra antsika intsony ny maheno sy mahita azy ireny…
Mihasimba
Taratra amin’ny fisian’izy ireny, hoy ny mpandinika fiarahamonina iray, ny faharavana miandalana misy eny anivon’ny fiarahamonina malagasy. Anisan’ny antony goavana miteraka izany ny fahantrana lalimpaka. Mihazakazaka loatra amin’ny fandrangarangana sazy ireo tomponandraikitra fa tsy rototra amin’ny fametrahana drafim-panabeazana sahaza ny isam-batan’olona. Nisy ny fotoana nanambaran’ny mpitondra ankehitriny ny hanorenana fonja manara-penitra. Tsy ny fanamboarana toeram-pamonjana raitra sy manara-penitra no maika fa ny fitadiavana ny vahaolana tsy hahatonga an-dRamalagasy hiditra any anatin’izy ireny. Vahaolana maharitra manoloana ny fikorontanan’ny fiainan’ny fiarahamonina ankehitriny ny famoronana asa ahafahan’ny tsirairay mivelona.
Ankoatra ireo, mbola manampy trotraka ny faharavan’ny fiarahamonina ny nanariana ny soatoavina nentim-paharazana. Tsy azo lavina fa antoka iray nampirindra ny fiarahamonina fahizay teto amintsika ny nametrahana amin’ny toerana sahaza azy ny fahendrena norantovina avy amin’ny soatoavina. Mila ezaka goavana, araka izany, ny fampahafantarana indray ho an’ireo solofo sy dimby ny fahendrena navelan’ireo loharano nipoirana (razambe) izay noraiketiny anatin’ny soatoavina tsy manam-paharoa.
