FIANGONANA VAVAKA SY FANAFAHANA Ny alahady ho avy izao eny Ivato ny “Vavaka sy Tso-drano”

“Vavaka sy Tso-drano”, io indray no hetsika ara-pilazantsara maimaim-poana karakarain’ny Fiangonana Vavaka sy Fanafahana izay manana ny foiben-toerany eny Behoririka, ny alahady 23 febroary 2025, eny amin’ny CCI Ivato. Ity hetsika ara-pilazantsara izay iarahana amin’i Pasitera Rabemananony Fidisoa sy Pasitera Noro Lucie ity dia nampitondraina ny lohahevitra manao hoe: “Ary hanomezan’Andriamanitra anao anie…” Gen 27:28.

Hanasan’ny tomponandraikitra mpikarakara ny rehetra ny fotoana amin’io alahady ho avy izao io. Tsy hanavahana mpino araka izany ny hetsika ara-pilazantsara fa izay rehetra liana handray ny tso-drano sy ny manodidina izany dia afaka manome voninahitra ny fotoana avokoa, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra mpikarakara, Pasitera Rabemananony Fidisoa. Ny tso-drano izay tena ilaina tokoa na eo amin’ny fomba kristianina na eo amin’ny fomba tsy kristianina satria ny tso-drano dia zava-mahery araka ny oha-pitenenana manao hoe: “Tso-drano zava-mahery”. Misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny tso-drano satria mampatanjaka izany. Andriamanitra izay nanome tso-drano ka nanao hoe: “Mamenoa, Mihabetsaha…”. Mila fahatakarana ihany koa anefa ny tso-drano. Miteraka sakana eo amin’ny fiainana ny tsy fahaizana mandray ny tso-drano.

Ny fampahafantarana ny tso-drano, ny fanomezana tso-drano, ny tokony hanome tso-drano, ny olona manao ahoana no tsofina rano, ireo araka izany no ho hita eny eny amin’ny CCI Ivato, amin’io alahady 23 febroary 2025 io, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra mpikarakara, Pasitera Rabemananony Fidisoa.

Vous aimerez aussi