FIANGONANA VAVAKA FANAFAHANA ENY BEHORIRIKA “Vehivavy mitondra Fitahiana” no fotoam-bavakin’ny Andron’ny vehivavy

“Vehivavy mitondra Fitahiana”, io no lohahevitry ny fotoam-bavaka lehibe entin’ny Fiangonana Vavaka Fanafahana izay manana ny foiben-toerany eny Behoririka, hankalazana ny Andron’ny vehivavy, ny Sabotsy 8 martsa 2025, eny amin’ny CC ESCA Antanimena. “Vehivavy mitondra Fitahiana” na ihany koa hoe: Vehivavy mitondra filaminana, fifaliana sy fahasambarana ary hevitra na ao an-tokantrano na maneran-tany mihitsy aza.

Araka io lohahevitra io dia mitondra fitahiana ho an’ny tenany sy ny ankohonany ary ny manodidina azy ny vehivavy fa tsy sanatria ka vesatra ho an’ny fiaraha-monina. Na inona na inona olana atrehana araka izany dia ho voasedra izany satria misy ny vehivavy indrindra fa manana an’Andriamanitra ny zanak’olombelona ka manovo hery indray. Na ny ao amin’ny Baiboly aza dia milaza fa fanaka malemy ny vehivavy kanefa izay fahalemena izay indrindra no hananan’ny vehivavy hery tsy takatry ny saina. Matoa Andriamanitra namorona an’i Eva ao amin’ny Baiboly satria hoe: tsy tsara raha irery ralehilahy dia mazava ho azy izany fa mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainana i Eva.

Amin’izao fotoana izao dia tapitra ny taranaka raha tsy misy ny vehivavy satria ny vehivavy no mitondra ny aina izay fara aman-dimby any aoriana. Manohy tantaram-piainana lava be ho an’ny fiainan’izao tontolo izao araka izany ny vehivavy. Anton’io lohahevitra noraisin’ny Fiangonana Vavaka Fanafahana io hoe: “Vehivavy mitondra Fitahiana”. Ny vehivavy mantsy indraindray mijery ny tenany hoe: mitondra olana kanefa ny mifanohitra amin’izay no zava-misy. Fohazina mihitsy araka izany ny sain’ny vehivavy amin’io fotoanan’ny Sabotsy 8 marsta 2025, io hoe: manana anjara toerana lehibe eo anivon’ny fiaraha-monina ny vehivavy. Misy zavatra mikorontana be dia be eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona raha tsy misy vehivavy. Manaporofo izany ny fitazonan’ny vehivavy ankehitriny andraikitra eo anivon’ny firenena. Ny vehivavy rahateo no tena mahita ny antsipiriam-piainana be dia be noho ny lehilahy. Tena mitondra fitahiana aaraka izany ny vehivavy. Misy hevitra mantsy avy amin’ny vehivavy izay tena manan-danja tokoa na tsy azo ambaniana aza ny hevitra avy amin’ny lehilahy.

Ho entin’ny Fiangonana Vavaka Fanafahana hankalazana ny andron’ny 8 martsa araka izany ny hetsika izay tanterahan’izy ireo ny 8 martsa 2025, araka ny fanazavan’ny Pasteur Noro Lucie izay avy ao amin’ny Fiangonana Vavaka Fanafahana eny Behoririka.

Vous aimerez aussi