« FIANGONANA MANAMBOARA VATSY » Mizara fifohazam-panahy ho an’ny Malagasy

Ny taona 2010 no niorina ny « Fiangonana manamboara vatsy », izay ny Evenjelisitra Maminirina Roland Guy, no angady nananana sy vy nahitana azy. Etsy Anosibe tsena no misy ny trano fivavahana ho an’ity fiangonana misy afom-bavaka mivaivay sy manana fianam-bavaka miavaka ity. Mibahan-toerana eo anivon’ny fandaharampotoanan’ny « Fiangonana manamboara vatsy » tokoa mantsy ny fotoam-bavaka sy ny fisian’ny vavaka an-tendrombohitra tsy ankiato.

Antom-pisiany lehibe ny hampiaiky ny Olombelona ny fahotany azo ambara amin’ny hoe : hanova fo ny Malagasy, ny hampiaiky ny Malagasy ny fahamarinana izay voarakitra anatin’ny baiboly. Mila mihaiky ny hadisoana ny ny heloka nataony ny isam-batan’olona mba ahazoana ilay fiainana mandrakizay, hoy ny Evenjelisitra Maminirina Roland Guy. Amin’ny ankapobeny Fiangonana mpanangana ny fiainana efa rava ihany koa ny « Fiangonana manamboara vatsy » Marihana fa samy manana fanomezam-pahasoavana mampiavaka azy avokoa ireo mpitantana azy. Singanina amin’ireny ny sehatry ny fandraharahana (Famelomana fandraharahana efa maty, olana ara-bola, sns) Misy, araka izany, ny fampianarana misehatra amin’ny fandraharahana izay mifototra amin’ny voalazan’ny baiboly hatrany. Misy eo anivon’ny « Fiangonana manamboara vatsy » ihany koa ny fampianarana momba ny fitondrana tokatrano, ny fandravana ireo sakana amin’ny endriny marolafy, ny fanafahana « Délivrance » eo ambany vahohon’ny ratsy, sns. Anisan’ny tena mampivaka ny « Fiangonana manamboara vatsy » ny fananan’izy ireo mpitarika eo anivony izay manana fanomezam-panahy manokana hamantatra fanahy ao ambadik’ireo tranga ratsy mety ho tojo ny Zanak’Olombelona eo amin’ny fiainany. Ny fanambinana sy ny fanasitranana, hoy hatrany ny Evenjelisitra Maminirina Rolland Gui no hitaomana ny Olombelona ho tonga amin’ny fahamarinana ary hiala amin’ny ratsy fanaony. Marihana fa efa heniky ny « Fiangonana manamboara vatsy » i Madagasikara ary efa maro ireo Misionera misehatra amin’ny asa fitoriana sy fampianarana any ambanivohitra sy hatrany Dilambato ankehitriny. Manana Onjam-peo « Emmanuel Radio » eo amin’ny maridrefy 94.8 FM ny fiangonana. Misehatra mavitrika amin’ireo asa sosialy marolafy tahaka ny fananganana asa ho an’ireo sahirana, fizarana arendrina amin’ny asaramanitry ny fetim-pirenena, sns izay ny sampana sosialy « Izarao fitiavana » no miantsoroka izany. Ny laharana 034 19 336 34 no ahafahana mitafa mivantana amin’ny Evenjelisitra mpitantana ny « Fiangonana manamboara vatsy ». Raha fintinina, mitaona ny Malagasy handala hatrany ny fahamarinana voarakitra anatin’ny baiboly ny « Fiangonana manamboara vatsy ».

Vous aimerez aussi