FIANGONANA HEBREO NOTSRYM Hankalaza ny « Shavouot »

Ny alahady 02 jona hoavy izao, hanomboka amin’ny sivy ora maraina no hankalaza ny « Shavouot » na ny fetin’ny Pentenkosta ireo eo anivon’ny fiangonana Hebreo notsrym, tarihan’ny Shalar Andriamady Rija, izay manana ny foibeny, etsy Ankasina. Ny Levitikosy toko faha-23  andininy faha- 15 no fototra ijoroan’ny fomba nentina namariatana fa ny 02 jona ho andro entina hanamarihana ny « Shavouot ».

Marihana fa talohan’ny andron’ny Apostoly (andron’ny zanak’Israely) no efa nisy ny « Pentekosta » izay ny fitondrana ny voaloham-bokatra ampiravoravoana no hevitra nofonosiny tamin’izany. Handrafitra ny fandaharam-potoana mandritra ny fanatanterahana ny «Shavouot » » ny lanonam-panokafana, ny fanaterana ny voaloham-bokatra (Akotry voakororoka) anatin’ny hira maredona ho an’i Adonaï ary ho faranana amin’ny fandraisana lehibe « Zevarh shlamym » (Fandraisana mofo manana endriny dimy sy divay tsy misy alikaola) Antsoina koa hoe : « Fanasan’i Adonaï » ny « Zevarh shlamym ». Sakafo mahavoky, araka izany, no iarahana mandritra ity fizaram-potoana ity. Ahitana tara-kevitra miisa telo ny « Shavouot » amin’ny ankapobeny dia ny fanamarihana ny fanolorana ny voaloham-bokatra, ny fahatsiarovana ny nanolorana ny didy folo ary ny nilatsahan’ny fanahy masina. Nomarihan’i Shalar Andriamady Rija fa voasoratra mazava ao anatin’ny baiboly fa ny fanatanterahana ny « Shavouot » amin’ny endriny feno dia antoka lehibe ho amin’ny fahafahana miaro ny tany tsy ho lasan’ireo Vahiny. Manentana hatrany ireo Malagasy izay mahatsiaro tena fa Hebreo, araka izany, izy ireo mba havitrika hatrany amin’ny fanatanterahana ny « Shavouot » Marihana fa voasokajy ho fahotana ho an’ny Hebreo ny tsy fanaoavana ny asa fambolena. Aorian’ny fankalazana ny « Shavouot » dia ny fankalazana ny fetin’ny Tabernakely indray no homarihan’ny fiangonana Hebreo notsrym.

Vous aimerez aussi