Ny tontolo andron’ny Alahady 30 martsa ho avy izao, etsy Ankasina, efajato metatra miantsinanana raha miala ny Gare routière Maki Andohatapenaka, amin’ny havanan-dalana, izay misy ny « bet kneset » na trano fivavahana ho an’ireo mpanaraka ny finoana Hebreo notsrym, no hanamarihana ny Taom-baovao na « Rosh hashanah ».
Ny « Rosh hashanah » na ny Taom-baovao ho an’ny Hebreo dia fotoana hifamelan-keloka, hamitranam-pihavanana mba hananana fo madio hiatrehana ny taona vaovao miditra. Midika izany fa fotoam-piravoravoana sy fifaliana ny fankalazana ny « Rosh hashanah » noho izy lavitry ny romoromo sy ny kibay an-kelika tsy mitera-bokatsoa. Nomarihan’ny Shalar Andriamady Rija fa anatin’ny Volana « habib » midika ho Salohim-bary ny fankalazana ny Taom-baovao ho an’ny Hebreo. Fidiovana, fialana amin’ny fahazaran-dratsy, araka izany, ny fankalazana ny « Taom-baovao » mba hanana fiarahamonina mirindra sy tsara kokoa. Mandritra ny fotoam-pankalazana ny taom-baovao ho an’ny Hebreo no hihinanana ny Vary amin-tantely tondrahan-dronono, hanim-pitoloha sy ny fandraisana ny tso-drano avy amin’ireo Ray aman-dreny mba hahomby mandritra ny famakivakiana ny taona vaovao. Miseho amin’ny endrika roa ahitana ny ivelany sy ny anatiny ny fankalazana ny « Rosh hashanah » na fidiovana ho an’ny Hebreo. Ny anatiny izay tanterahana amin’ny alalan’ny fifamelan-keloka sy fikosehana tsy hisy intsony ireo mety ho disadisam-piaraha-monina amin’ny endriny marolafy (Fanadiovana ny fo amam-panahy). Ny ivelany kosa dia ny famoahana akanjo vaovao ho any Hebreo handraisana ny taona vaovao. Marihana fa manaraka ny tsingerim-pambolena ny Alimanaka arahan’ny Hebreo. Mitana anjara toerana lehibe anatin’ny fankalazana ny taom-baovao ny Sakafo ho an’ny Hebreo sy ny Malagasy. Efa misy,araka izany, ireo biby hafahy na hatavezina herinandro mialoha hoenti-miatrika izany. Maneran-tany dia ny Hebreo sy ny Malagasy ihany no mankalaza taom-baovao miisa roa dia ny volana septambra « Lohataona » (Fetin’ny Trompetra) sy ny manodidina ny volana martsa (Fidiovana na taom-baovao ara-pivavahana). Tsy tokony hifanditra na sanatria hifandrafy manodidina izany ny Malagasy, hoy i Shalar Andriamady Rija fa samy marim-pototra avokoa ny fankalazana ireo taom-baovao miisa roa ireo.
Tsara ho fantatra fa efa nitsangana aram-panjakana ny volana novambra lasa teo ny Fikambanan’ny Hebreo eto Madagasikara na ny « FHM » Fikambanana manodidina ny dimy ambiny folo eo ho eo no mivondrona mandrafitra azy ity. Ny hamondrona ho iray ireo Hebreo eto Madagasikara no antom-pisiany. Nomarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny « FHM », ny Shalar Andriamady Rija fa tanjona lavitrezaka izany nefa tsy maintsy ho tanteraka, hoy, hatrany izy noho ny efa fisian’ny fifanantonana hampitoviana fomba fijery eo amin’ireo samy mpandala ny finoana Hebreo. Tsy hiandry ny tanjona lavitrezaka anefa ny fikambanana « FHM » fa efa manomboka ny fiarahana amin’ny alalan’ny fifanotronana raha misy ny ankasoavana na ny ankaratsiana. Taratry ny fizorana miabo ho amin’ny fitambarana ho iray eo amin’ireo Hebreo eto Madagasikara ihany koa ny fankalazana ny « Taom-baovao » na ny «Rosh hashanah » izay hiombonan’ny rehetra ny fanamarihana izany, ny 30 martsa ho avy izao. Sehatra iray hahafahan’ireo mpikambana rehetra manasa ny « lamba maloton’izy ireo » ao anatiny ihany koa ny fisian’ny « Fikambanan’ny Hebreo eto Madagasikara » mba hisorohana ny sanatria mety ho fifanalana baraka na fifandirana mety hiteraka fahalemena eny anivon’ireo Haino aman-jery maro isan-karazany koa mety ho hararaotin’ireo mpankahala hampirafesana indray ny samy Hebreo eto Madagasikara ho fiarovana ny tombontsoa manokan’izy ireo.
