Ny taona 2015 no niorina ny Fiangonana Mitory an’i Jesosy Kristy izay manana ny foibeny, etsy Namontana. Ny Apôtre Randrianjanahary Rado, no angady nananana sy vy nahitana azy. Ity farany izay nahazo ny antso sy ny fanirahana ary ny fahitana avy amin’Andriamanitra ny amin’ny hanapariahana ny fampianarana ny filazantsara mifaka amin’izay voarakitra anatin’ny baiboly manerana izao Tontolo izao ary ny fametrahana mandrakariva fa i Jesosy Kristy no ivon’ny asa fitoriana izay atao.
Antom-pisian’ny Fiangonana Mitory an’i Jesosy Kristy ny manabe sy mitaiza ny Olombelona tsy ankanavaka ho amin’ny fanarahan-dia an’i Jesosy Kristy ilay vato fototra iorenan’ny finoana an’Andriamanitra. Azo ambara ho Fiangonana mitory ireo asam-pamonjena nataon’i Jesosy Kristy ny FMJKT. Anisan’ny teny manentana azy ireo mandrakariva ny hoe : « Nahazo maimaim-poana dia mizara maimaim-poana » Marihana fa misy ny fanofanana ho Pasitera, Evenjelisitra, Mpampianatra ary ny ho Mpaminany (Efesianina 4-11) eo anivon’ity Fiangonana ity. Manodidina ny telo taona eo ho eo avokoa ny faharetan’ny fampianarana miaraka amin’ny fampiharana izany. Misy ny sakramentan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, batisa, mariazy eo anivon’ny Fiangonana « FMJK » Tsy misy ny fanolorana ny « ampahafolon-karena » fa fanatitra miisa roa ihany no atao mandritra ny fanatanterahana ny fotoam-pivavahana. Misy hatrany ny fitrotroana am-bavaka ireo Mpino tojo tsy fahasalamana na ireo mety ho kivy miatrika ny Onjam-piainana.
Ankoatry ny fitaizam-panahy amin’ny alalan’ny fampitana ny fampianarana ataon’ny Apôtre Randrianjanahary Rado sy Ramatoa vadiny dia misehatra amin’ny fanatanterahana asa sosialy ihany koa ny Fiangonana FMJK. Singanina amin’ireny ny fanampiana ireo mpiara-belona sahirana amin’ny alalan’ny fizarana sakafo manta toy ny vary sy tsaramaso, fizarana baiboly, sns. Manana sampana ahafahan’izy ireo mifanakalo hevitra sy mifanampy ary mifampitaiza (saina, vatana, fanahy) ihany koa ny Tanoran’ny FMJK, ny sampana vehivavy, sekoly Alahady ary efa misy ny Vondron’ireo mpidera « Groupe de louange » Vinanasan’ny Fiangonana ho amin’ity taona 2025 ity ny fitokanana ny Zanam-piangonana, etsy Andoharanofotsy, ny famoahana ireo mpanompon’Andriamanitra (Pasitera, Evenjelisitra, Mpampianatra) ary ny fananganana « Vondrom-bavaka » any amin’ny faritra. Marihana fa misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo Fiangonana mitovy fomba fijery amin’izy ireo eo amin’ny fanatanterahana ny fitoriana ny filazantsara araka izay voarakitra anatin’ny baiboly sy fanampiana ireo mpiara-belona ara-panahy , saina ary vatana ny FMJK, izay manana ny foibeny etsy Namontana.