
Amin’ny ankapobeny, efa tomombana avokoa ireo fikarakarana ny fandraisana ny « Festival Voasary » andiany voalohany izay hanomboka ny 02 hatramin’ny 04 aogositra ho avy izao, any amin’ny Kaominina Antsatramidola andoharano, izay azo ambara ho renivohitr’ireo dimy kaominina antsoina hoe : « Dimy kaominina loharano mangarahara » ahitana ny kaominin’ny Ambarikaika, Ambilombe, Ankiakabe fonoko, Antsatramidola, Ambodiamontana kianja, anatin’ny distrikan’ny Mandritsara, faritra Sofia.
Tanjona anatin’ny fanatanterahana ny Festival voasary, hoy i Lelah Magneva Patron, mpiketrika azy ity ny ahafahana mampahafantatra amin’ireo mpandraharaha sy ny tompon’andraikim-panjakana miahy ny lafiny fambolena ary ireo rehetra tsara sitra-po vonona hampandroso ara-toe-karena fa « tanànan’ny voankazo tsara kalitao » azo ahodina ho ranom-boankazo ara-pahasalamana sy ahafahana mametraka rafitra fiharian-karena goavana mitarika ho amin’ny famoronana asa maro any an-toerana, ireo « dimy kaominina loharano mangarahara » ao amin’ny faritra Sofia, distrikan’ny Mandritsara noho ireo vokatra marobe ananany. Ambohipihaonana ho amin’ny fanamafisana orina ny firaisankina, ny fihavanana eo amin’ireo mponina sy ahafahana mitondra fifanakalozan-kevitra ho amin’ny fitadiavana ny paikady mahomby ho fampandrosoana ireo kaominina any an-toerana ihany koa ny Festival « Voasary ». Anisan’ny hanafana ny sehatra anatin’ny «Festival « voasary » ny mpanakanto Kakabe Djino, Red soukouss, Doscar, Leroky, Vaiavy Chila ary i Zandry kaja. Hisy ihany koa ny fifaninanana ara-panatanjahtena nentin-drazana « Moraingy » izay handraisan’ireo mpifaninana efa sangany any amin’ny faritry Sofia iny. Ny mahasoa sy ny mahafinaritra, araka izany, no hotovozina, anatin’ny « Festival voasary » andiany voalohany, any amin’ny kaominina Antsatramidola andoharano, ity. Nomarihan’ny Lehilahy magneva patron mpikarakara fa hisy ny asa sosialy hotanterahana ho an’ireo mponina any an-toerana rehefa vita ny « Festival voasary ».
