« FESTIVAL A HAUTE VOIX! VEHIVAVY MITAFA » Hanomezan-danja ny zon’ny vehivavy

Ny hetsika « Festival à haute voix! Vehivavy mitafa » izay karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no ho hita, eny amin’ny zaridain’Antaninarenina, ny 12 martsa ka hatramin’ ny alahady 16 martsa 2025. Ity hetsika tohanan’ny « Région Ile de France » sy ny « Organisation Internationale de la Francophonie-OIF » ity izay natao indrindra hanomezan-danja ny zon’ny vehivavy. Velan-kevitra sy lahadinika maro samihafa momba ny fandefasana horonan-tsary sy ny sehatry ny filazam-baovao ary ny fanentanana no hifampizarana mandritra ireo dimy andro ireo. Ankoatra izay, ny fampirantiana tranoheva izay hampahafantarana ny zon’ny vehivavy sy ny ady amin’ny herisetra ary ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida. Mbola tafiditra tanteraka amin’ny hetsika Andro Iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ity « Festival » ity. Ny fiadiana amin’ny fitovian-jo eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy no tanjona. Dingana efatra no ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Ao anatin’ny dingana fahatelo izao hetsika izao. Ny fampahafantarana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy sy ny hahafahan’ny vehivavy ihany koa manambara ny heviny eo amin’ny olan’ny fiaraha-monina no vina apetraka amin’izany. Ny vahaolana ho an’ny fiaraha-monina sy izay heverin’ny vehivavy hitondrany ny ho aviny no ezaka asongadina amin’izao hetsika izao. Zava-dehibe ny fananana izany sehatra hahafahana miteny izany indrindra fa ny eo amin’ny sehatry ny fitovian-jon’ny vehivavy sy ny lehilahy. Antso avo atao ny mba hametrahana ny politikan’ny fitovian-jon’ny vehivavy sy ny lehilahy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Mandroso miandalana eo amin’izay fitovian-jo izay isika ankehitriny satria dia maherin’ny 50 isan-jaton’ny mponina eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no mandrafitra ny vehivavy. Tsara noho izany raha mandray andraikitra ny vehivavy mba hakana hevitra sy mandroso hevitra mba ho tena ho tomponandraikitra amin’ny fampandrosoana ny tanàna izy ireo, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’ny  Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala.

Vous aimerez aussi