Mpianatra manodidina ny 48.000 isa no navoakan’ny “Lycée Moderne Ampefiloha” na ny L.M.A, nandritra izay 60 taona niorenany izay. Mamoaka mpianatra mahatratra 800 isa isan-taona ity Liseam-panjakana ity, araka ny fanazavan’ny “Proviseur” ao amin’ny Lycée moderne Ampefiloha, Andrianjafy Mamisoa. Ity Liseam-panjakana eny Ampefiloha ity izay nanokatra ny lanonana fankalazana tamin’ny fomba ofisialy, ny faha-60 taona nijoroany, ny Talata 19 Febroary lasa teo. Notarihin’ireo Raiamandreny ara-panahy eo anivon’ny Fiombonan’ny Fiangonan’ny Kristiana eto Madagasikara na ny F.F.K.M izany fanokafana ny fankalazana faha-60 taonan’ny L.M.A izany.
Notronin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny raha nisy ihany koa ny fampirantiana tranoheva maro samihafa. Ivon’ny fankalazan’ ny Lisea, ny faha-60 taonany, ny 31 May ho avy izao. Hetsika miavaka no entin’izy ireo hanatanterahana izany izay hiarahan’ireo mpampianatra miisa 129 sy ireo mpianatra mahatratra 3.485 isa. Ny lanonana izay hotohizana amin’ny fiaraha-misakafo eny amin’ny “Residence” iray eny Ambohimanga, ny 21 Jona 2025. Famaranana amin’ny fomba ofisialy, ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny LMA, ny 08 Desambra 2025. Ny hanangana trano fivoahana vaovao no tsangambaton’ny sekoly raha eo ihany koa ny hanoloran’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, rano fisotro madio, ireo mpianatra. Ny paompin-drano fisotro madio izay mbola tena olan’ny sekoly eo amin’ny fitandroana ny fahasalaman’ny mpianatra. Ny Fitondram-panjakana izay efa nanolotra dabilio miisa 741 ho an’ity Liseam-panjakana ity.
Ankoatra izay, ny seza roa isaky ny dabilio iray sy ny fiaraha-miasany amin’ny sehatra tsy miankina na ny 3 P. Ny L.M.A amin’izao fotoana izao izay miezaka mivelatra amin’ireo sehatra maro samihafa toy ny fampianarana haiady, ny teny Sinoa, ny fianarana mandihy sy ny maro samihafa mba ho fampirisihina hatrany ireo mpianatra. Tanjona ny hananana mpianatra mahay sy mahafantatra kokoa eo amin’ny lafiny rehetra, araka ny fanazavana voaray.
