FARITRA VAKINANKARATRA Tafapetraka ny governora vaovao

Ny talata 3 martsa teo, no tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy tao Antsirabe, Faritra Vakinankaratra, ny governoran’ny Faritra, Rakotovao Vyvato izay notendren’ny filankevitry ny ministra ny 12 Febroary teo. Nisy ny lanonana makotroka nametrahana ny Governora vaovao ka ny ministry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Razafimahefa Tinarivelo no nanolotra ny fanevan’ny Faritra ho an’ny Governora Rakotovao Vyvato ho marika ny fandraisany ny fitantanana ny Faritra. Taorian’ny famindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny faritra mpisolo toerana sy ny vaovao dia niroso tamin’ny lanonana fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Governora vaovao ireo delegasiona notarihan’ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine. Nandritra ny lanonana dia nisy ny kabary natao ka “afaka miasa avy hatrany ny Governora vaovao”, hoy ny lehiben’ny Faritra mpisolo toerana Rakotomahandry Timothé. Efa mipetraka koa, hoy ity farany ny lamina ho fanohizana ny asa.

Nambaran’ny governora, fa “tsy safidy ny fampivoarana fa fanapahan-kevitra. Toe-tsaina tia fikirizana sy fivelomana no ilaina. Tsy manana fahavalo na iza na iza ny tenako fa ny mosary sy ny fahantrana no fahavaloko ary izay hahatanteraka antsakany sy andavany ny veliranon’ny Filoha no laharam-pahamehana voalohany”. Nakasitraka ny Filoham-pirenana sy ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta izy noho ny fitokisana nomena azy. Nanome toky ny governora, fa hanao ny ezaka rehetra hampandrosoana ny Faritra Vakinankaratra. Ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine niaraka tamin’ireo olom-panjakana toy ny Ministra, Loholona, Solom-bavambahoaka no tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fametrahana ny governora tao Antsirabe.

Vous aimerez aussi