Niova ny fitondran’i Rivo Rakotovao ny Antenimierandoholona, hoy ny fanambaran’ny Senatera, Randrianandrasana Auguste Philippe, voafidy tao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa, io maraina io. Noho izany hatao ny fikonokononana ny amin’ny fanonganana azy.
Nambaran’ity mpitondra teny ity fa misy tokoa ny vondrona Senatera manomana ny fanonganana ny Filohan’ny Antenimierandoholona satria nisafidy ny fanovana ny firenena ny taona 2018 ary mitaky izany fanovana izany amin’ny lafiny rehetra.
Notsipihany fa Andrimpanjakana tsy dia fanaovana politika loatra izy ity fa natao hampisy fifandanjana ara- politika eto amin’ny tany sy ny Fanjakana, kanefa tsy izany no zava-misy amin’izao fotoana izao.
Nalainy ho ohatra tamin’izany ny amin’ny fandanian-dalàna, izay atao ny tsy hampandeha ny lalàna na dia tsy tokony hasiana adihevitra loatra aza.
Manoloana izany dia mahatsapa izahay, hoy ihany ny mpitondra teny, fa tsy ara-dalàna ny fitantanana ny Antenimierandoholona , satria tsy tsaroan’ny Filoha fa olom-boafidy izy fa mieritreritra ho Tale Jeneralina orinasa, ka izay tiany hatao no ataony.
Kolikoly
Manolona ny kolikoly voalaza fa ataon’ireo Senatera mikonokonona fanonganana kosa no nambarany fa tsy misy izany. Lavina ny fisian’ny kolikoly satria ny famoriana olona amina hotely tsy midika fanomezam-bola, hoy hatrany ity mpitondra teny.
Koa nanterin’ ity Senatera àry fa tsy tokony hiandry fanonganana ny Filohany raha tiana handroso ny firenena fa tokony havelany io toerana io, omena izay olona afaka mifandray tendro amin’ny olona mitondra ankehitriny, mba hisian’ny filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena.
Miziriziry ity mpitondra teny fa « Ataonay sambo-balala main’andro io, ka raha tsy azo androany , azonay rahampitso ! »
Mifamahofaho
Tsy vao izao moa no disadisa na ny vina hanafoanana ity Andrimpanjakana ity. Saingy niha nahery vaika ny fifandonana teo aminy tao ho ao, satria niroso lalina ho amin’ny tariky ny mpanohitra izao Fitondrana izao ny Filohany.
Nitranga ihany koa ny fifandonana teo amin’ny Antenimierampirenena izay misy ny maro an’isa amin’ny olon’ny Mpitondra noho ny resaka fandaniana lalàna. Nalana teny anivon’ny Antenimierandoholona ihany koa avy eo ny mpitandro filaminana sy ny fitaovam-piadiana.
Nifamahofaho, araka izany, ny toe-draharaha eny anivon’ity Andrimpanjakana ity.
Ny Filohany anefa no hisolo ny Filoham-pirenena, araka ny lalàna, raha misy ny mety fanalana ity farany. Noho izany, omanina dieny izao izay mety ho fiovan-javatra rehetra.
Maro an’isa eny amin’ny Antenimierandoholona moa ny ekipan’ny HVM sy ny mpanara-dia azy.
Tsy maintsy mandeha indray, noho izany, ny resaka malety, izay ny Birao mahaleotena misahana ny kolikoly (na ny Bianco) ihany moa no afaka hisahana izany.
Dia izay tokoa ve ny hoe : « ny tody itsy misy, ny atao no miverina » ?
Ho hita eo !
![](https://i0.wp.com/www.agencemalagasydepresse.com/media/2019/10/initial-amp.png?resize=100%2C100&ssl=1)