Ny 17 aprily no fankalazana ny “Andro maneran-tany ho an’ny “Hemophilie” na ny fijininihan-drà lava. “Les femmes et les filles saignent aussi” no lohahevitra nanamarihana izany. Tsy diso anjara tamin’ity fankalazana ity ny teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny “Association pour le Bien Être des Hémophiles à Madagascar” na ny (ABEHM). Ny fikambanana izay manana mpikambana miisa 209 amin’izao fotoana izao ka vehivavy ny 4 amin’izy ireo. Noho ny fahitana fa misy ireo vehivavy no ela vao mijanona ny rany noho ny fananana izay toe-batana mijininika ra izay no antony nandraisana ny lohahevitra. Toe-batana raki-toetra na “maladie génétique” no mitarika ny tsy fahavaingainan-dra eo amin’ny olona iray. Toe-batana nolovaina avy amin’ireo ray aman-dreny teo aloha na ihany koa toe-batana mety ho tonga ho azy araka izany io mahatonga ny fijininihan-drà lava io. Miseho amin’ny endrika mangana ny toe-batana raha sendra voadona. Ankoatra izay dia tsy mijanona ny ra raha maratra ny olona izay manana ity toe-batana ity. Noho ny tsy fahampian’ny singa ao amin’ny vatana no mahatonga ny “Hemophilie”. Izy io izay misy karazany roa dia ny “Hemophilie A” sy ny “Hemophilie B”.
Ny “Hemophilie A” izay manambara fa tsy ampy ilay singa fahavalo mampivaingana ny ra ao amin’ny vatan’olombelona raha ny tsy fahampiana ilay singa fahasivy ao amin’izany vatan’olombelona izany ny “Hemophilie B”. Ireo ray aman-dreny sy ireo olona manana toe-batana “Hemophilie” izay mahatsiaro fahasahiranana satria tsy mety sitranina ity tranga ity na azo tsaboina aza. Na izany aza anefa dia misy ny fikarohana maro samihafa entina hisorohana izany na mbola ao anaty andrana aza ankehitriny. Ho an’i Madagasikara manokana dia ireo tolo-tanana avy amin’ireo fikambanam-be Iraisam-pirenena ho an’ny « Hemophilie » no fanafody ho entina mitsabo ireo olona manana toe-batana mijininika ra lava. Ny fitsaboana voalohany izay miainga amin’ny fitiliana. Ny “ABEHM” izay nanompana ny fanamafisana ny fampahafantarana ny olona manana ny toe-batana “Hemophilie” tamin’ny andron’ny fankalazana ny “Andro maneran-tany ho an’ny “Hemophilie” na ny fijininihan-drà lava, ny 17 aprily 2025. Nisy ny fitiliana, ny fanomezan-dra maimaim-poana, ny fizarana avy amin’ireo olona miaina izay manana izany toe-batana izany, ny fizarana avy amin’ireo dokotera ny traikefany tamin’ny alalan’ny fahaiza-manaon’izy ireo.
Ny fampivondronana ireo olona manana toe-batana mijininika ra lava sy ny fianakaviany indrindra fa ny hitondra ny feon’izy ireo no tanjon’ny “ABEHM”. Fotoana nahafahan’ny fikambanana mampahafantatra misimisy koa ny atao hoe “Hemophilie” araka izany ny fotoana. Nizaran’ireo miaina miaraka amin’izany manana toe-batana “hemophile” izany ny fomba iainan’izy ireo miaraka amin’izany “hemophilie” ny fiainana andavanandro any an-tokantranony sy ny eny anivon’ny fiaraha-monina ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny “Hemophilie”. Ity tranga eo amin’ny toe-batan’olombelona ity izay mbola betsaka no tsy mahalala izany na misy aza izany eny anivon’ny fiarahamonina satria tsy vita fitiliana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny “ABEHM”, Dr Andrea Fety.
