FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ZON’NY VEHIVAVY Nanamarika izany ireo vehivavy mpiasan’ny orinasa STAR

“Fitovian-jo sy ny Fizakan-tena ho an’ny Vehivavy sy ny Tovovavy” no lohahevitra nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny Vehivavy raha ho antsika teto Madagasikara. Izy io izay nomarihana ny 8 martsa 2025. Ity fanamarihana manokana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny Vehivavy, ity izay nandraisan’ny fitondram-panjakana foibe sy ireo fikambanana ary ireo orinasa maro samihafa, anjara.

Samy nanana ny fomba nentina nanatontosana izany fanamarihana ny fankalazana izany avokoa ireo mpandray anjara manerana ny Nosy. Ny an’ny orinasa STAR izao izay tsy diso anjara tamin’izany fanamarihana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny Vehivavy izany dia ireo vehivavy mpiara-miasa miisa 133 manerana an’i Madagasikara no niara-nanatontosa hetsika. Hetsika izay nentina niarovana ny tontolo iainana izay notontosaina tamin’ny endrika fambolen-kazo tany amin’ireo Akany fitaizana Zaza. Ankoatra izay dia nitondra anjara biriky teo amin’ny lafiny ara-panabeazana izy ireo. Antony nizaran’ny vehivavy mpiasan’ny orinasa STAR fitaovam-pianarana teny amin’ireo sekoly eny ifotony. Na ny teo amin’ny lafiny ara-pahasalamana ihany koa aza dia nomen’izy ireo lanja manokana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.

Izany indrindra no nanoloran’ireo vehivavy mpiasan’ny orinasa Star « concentrateurs d’oxygène » sy fitaovana fikarakarana ho an’ny tera-bao teny amin’ny Sampan-draharaha misahana ny fiterahana sy ny fitsaboana zaza. Ankoatra ireo dia nanolotra fandriana sy kidoro mitentina Ar 18 tapitrisa ho an’ny CHU Antsiranana, ihany koa, ny vehivavy mpiasan’ny orinasa STAR. Tamin’ity taona ity dia niavaka ny fanamarihan’ny vehivavy mpiasan’ny orinasa Star ny fankalazana. Nojeren’izy ireo manokana ny vehivavy voatazona any an-tranomaizina. Novatsian’izy ireo PPN ireto vehivavy ireto. Ny orinasa STAR dia mampiseho hatrany fa vonona ny hitarika ireo hetsika mikendry vokatra tsara sy maharitra, na eo amin’ny sehatra ara-tsosialy izany na eo amin’ny lafiny ara-piarahamonina. Antony hampitovian’ny orinasa STAR ny fandraisana sy ny fikarakarana ny lehilahy sy ny vehivavy. Noho izany ireo lehilahy sy vehivavy misahana asa sy andraikitra mitovy dia mandray karama mitovy.

Tsy misy araka izany ny asa natokana ho an’ny lehilahy na ilàna fahaizana ara-teknina sy tanjaka ara-batana aza izany. Vehivavy miisa dimy ihany koa no Tale eo anivon’ny STAR raha miisa 2 amin’izy ireo no mpikambana ao amin’ny Komity Mpitantana. Ny orinasa STAR izay tsy mikely soroka miady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny fanararaotana ara-nofo. Azon’ny mpiara-miasa atao ny mitoroka azy ireny ankalalahana sy ao anatin’ny fanajàna ny tsiambaratelo raha sendra misy izany. Tanjona ny mba hiasan’ ny rehetra ao anaty tontolo feno fitoniana sy fandriampahalemana, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi