FANDAHARANASA « SEKOLY YAS » ETO MADAGASIKARA Hanavao sy hanorina sekoly miisa 30 amin’ity taona ity

Mpianatra miisa 45.600 amin’ireo faritra miisa 23 eto Madagasikara izay mandranto fahaizana amam-pahalalana amin’ireo trano fianarana mahatratra 207 isa izay misy efitrano 588 no nahazo tombontsoa tamin’ny fandaharan’asan’ny « Sekoly Yas » izay avy amin’ny « fondation Axian » sy ny « Yas Madagascar » nanomboka ny taona 2015 ka hatramin’izao. Ireo trano fianarana ireo izay manara-penitra tanteraka satria tanjon’izy ireo ny hanome lanja ny lafiny fanabeazana eto amintsika.

Vina apetraka ihany koa ny hanomana ho avy tsaratsara kokoa ho an’ireo mpianatra Malagasy. Izany indrindra no antony hametrahan’ny fitondram-panjakana ireo dingana maro samihafa amin’ny fampandrosoana ny lafiny fanabeazana eto amin’ny Nosy. Izy io izay hiarahan’ny fitondram-panjakana miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa tahaka izao iarahany amin’ny « fondation Axian » sy ny « Yas Madagascar » izao. Miompana kokoa amin’ny fanorenana sekoly vaovao sy fanatsarana ireo efitrano fianarana izay mila fanavaozana ny fiaraha-miasan’ny « fondation Axian » sy ny « Yas Madagascar » ary ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Amin’ity taona ity dia hanavao sy hanorina “Sekoly Yas” miisa 30 indray ny « fondation Axian » sy ny « Yas Madagascar » raha ho antsika eto Madagasikara manokana. Ny « fondation Axian » izay manompana ny 67 isan-jaton’ny teti-bolan’izy ireo eo amin’ny lafiny fanabeazana. Anisan’izany ny fandaharan’asa “Sekoly Yas”.

Zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra tsy miankina indrindra fa ny ezaka eo amin’ny fanatsarana ny lafiny fanabeazana eto Madagasikara tahaka izao, hoy ny ministry ny fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michel, teny Andraharo, ny 25 martsa 2025, raha nanatrika izao fampahafantarana ny fifanoloran-tanan’ny mpiara-miombon’antoka maro amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena mba ho fanatsarana ny lafiny fanabeazana izao ny tenany.

Vous aimerez aussi