Ny alakamisy 6 ka hatramin’ny sabotsy 8 martsa ho avy izao dia hanatanteraka ny « Salon de la femme » eny amin’ny « Oriental International » Ankazomanga, ny « Malagasy Créative ». Ity hetsika ity izay nampitondraina ny anarana hoe Ampela.
Ny mahakasika ny vehivavy iray manontolo eo amin’ny andavanandrony manokana toy ny fitondrana tokantrano, ny fikarakarana sakafo, ny fikolokoloana ny endrika amam-bika sy ny lafiny fahasalamana ary ny fivarotana ireo kojakojam-behivavy isan-karazany no avoitran’ny tomponandraikitra mpikarakara sy ireo mpandray anjara, mandritra ireo telo andro ireo. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny « coaching » sy ny « atelier » ary ny valan-dresaka arahana adihevitra momba ny tontolon’ny vehivavy. Tanjona ny hahatonga ireo vehivavy ho lasa lavitra eo amin’ny fiainany amin’ny maha vehivavy azy indrindra fa ny fiainany eny anivon’ny fiaraha-monina. Ny vehivavy izay mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainana andavanandro. Anton’izao fanomezana lanja azy ireo izao. Ho fanamarihana ny andron’ny vehivavy, ny volana martsa ho avy izao, no anton’izao hetsika amin’ny sehatra maro izao, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra mpikarakara, Ralijaona Diamondra.