FANAFIHAN-JIOLAHY TENY ILANIVATO Lehilahy iray no maty, ankizy roa naratra

Maty ilay lehilahy ary naratra kosa ireo ankizy roa. Izany no vokatry ny fanafihan-jiolahy nitranga teny Ilanivato Anosipatrana, akaikin’ny toeram-pitsaboan-dry masera, io maraina io, tokony ho tamin’ny 8 ora latsaka kely.

Miasa amin’ny Cash Point eny Isotry, ka andeha hamonjy ny asany ary nitondra ny zanany haterina hianatra ity raim-pianakaviana no notifirin’ireo jiolahy raha vao hiainga tamin’ny moto.
Voan’ny bala teo amin’ny sandriny ary giraobaka nahazo ny fony ity lehilahy ary maty noho ny tonga teny amin’ny hopitaly. Ilay zanany kosa dia teo amin’ny tarehiny no voan’ny bala ka goaka ihany koa.

Ny iray fahatelo, izay ankizy ihany  koa dia voatifitra teo amin’ny tongony, nandritra izany fanafihana izany.

Jiolahy roa nitondra moto scooter, tsy nisaro-tava no nahavanona izao fitifirana izao, izay voalazan’ny manodidina fa efa hatry ny alina no nihaodihaody sy nikasa hanafika teny an-toerana.

Tranon’olon-tsotra teny amin’ny manodidina ity nokendren’ireo jiolahy ity satria nahazoan’izy ireo vaovao fa misy volabe ao.

Na izany aza, tsy mbola fantatra mazava ny tontalim-bola lasan’ireo jiolahy tamin’izao fanafihana izao.

Samy manodidina ny 10 taona moa ireto ankizy ireto, izay mpianatra ao amin’ny kolejy La Réussite ity niaraka tamin-drainy ity, ny faharoa kosa dia  mpianatra ao amin-dry Masera.

Araka ny fantatra dia tonga teny an-toerana ny Mpitandro filaminana,  saingy efa niporitsaka ireo jiolahy. Ny mponina rahateo sady taitra no natahotra ka tsy nisy afa-nanoatra manoloana ny zava-niseho.

Tsy mbola voafehy ny fandriampahalemana

Araka izany dia hita fa tsy mbola voafehy loatra ny fandriampahalemana eto amintsika, na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra.

Anatin’ny fivoriana tanteraka mihitsy izao ireo tompon’andraikitry ny filaminana, eny Fort-Duchesne, ka mandrindra ny tatitry ny fandriampahalemana. Heverina fa ny raharaha fampanjakana ny filaminana sy ny tetika ary ny paikady hamongorona izany mihitsy no tena zava-dehibe.

Vous aimerez aussi