« FANAFAHANA NY FANAHY SY NY NOFO » Nisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra

Ny 26 hatramin’ny 28 aprily lasa teo no nanatanterahana, tetsy amin’ny foiben’ny Fiangonana Jesosy mpanafaka By-pass Ankazobe ny hetsika « fanafahana ny fanahy sy ny nofo » Fandaharam-potoana nisian’ny hira fiderana, toriteny ary fijoroana vavolombelona sy fanasitranana, niarahana tamin’ny mpanompon’Andriamanitra Andrianaivonirina Jean de Dieu.

Maro ireo olom-baovao izay tsy eo anivon’ny Fiangonana Jesosy mpanafaka no tonga teny an-toerana. Resy lahatra izy ireo fa ao amin’ny Tompo no tena fiainana rehefa nandre ny toriteny teny an-toerana. Tsikaritra ihany koa fa maro anisa ireo tanora no nandray anjara mavitrika tanatin’ny « Fanafahana ny fanahy sy ny nofo ». Maro tamin’izy ireo no afaka teo ambany ziogan’ny fanahy ratsy.  Voaporofo tamin’ity hetsika ity fa manana hery afaka manova ho amin’ny tsara kokoa hatrany ny fianan-janak’olombelona ny tenin’Andriamanitra rehefa arahana finoana matanjaka sy vavaka tsy mihambahamba. Ampahany tamin’ny fahasoavana hita maso noraisin’ireo nanatrika ny « Fanafahana ny fanahy sy ny nofo » ny fahasitranana ara-batana. Singanina amin’ireny ny tsy naheno lasa nandre, fivontosana amin’ny kibo, fahazaran-dratsy amin’ny fandraisana zava-mahadomelina an-taonany maro, mosavy,sns…

Azo ambara, hoy ny mpanompon’Andriamanitra Andrianaivonirina Jean de Dieu, nitarika ny fotoana fa niseho niharihary nandritra ny « Fanafahana ny fanahy sy ny nofo » ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny. Maro no resy lahatra sy vonona hanolo-tena ho an’Andriamanitra. Tsy hijanona hatreo fa hitohy hatrany ny hetsika tahaka izao ho fanabeazam-boho ny asan’Andriamanitra, hoy ny avy ao amin’ny Fiangonana Jesosy mpanafaka.

Vous aimerez aussi