FANADIOVANA SY FANDRIAMPAHALEMANA IARIVO Vonona hanome tanana ny CUA ny fikambanana « JMM »

Manana paikady mahomby hoentina manala ny fako sy mampandry fahalemana an’Antananarivo ao anatin’ny fotoana fohy ary ahafahana mamorona asa maharitra ho an’ny mponina maro, izahay avy ato amin’ny Association « Jeunes Malagasy Mahasaky », hoy Randriamparany Toky, filohan’ny fikambanana tsy manao politika izay misehatra amin’ny fanampiana ireo mpiara-belona sahirana, niorina ny taona 2022.

Ny famoahan’ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo « CUA » tarihan’ny Ben’ny Tanàna ny fahazoan-dalana ahafahana manatanteraka izany no sisa andrasana, hoy hatrany Randriamparany Toky, filohan’ny Association « Jeunes Malagasy Mahasaky » izay marihana fa efa manana mpikambana mavitrika miisa manodidina ny 30 000 ankehitriny. « Projet d’appui pour la gestion des ordures et la sécurité de la ville d’Antananarivo » no anarana nasalotra ity tetikasa goavana tsy ilana famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana mahefa ity. Fako milanja 500 Tonne isan’andro no esorina eto Antananarivo. Tsy hijanona hatreo amin’ny fandraofana ny fako ny tetikasa fa efa vonona ihany koa ireo manam-pahaizana avy eo anivon’ny fikambanana « JMM » ny hanodina azy ireny hanjary angovo azo havaozina. Mponina miaina eny anivon’ny fokontany 4 000 isa no hiantsoroka ny fanaraha-maso ny fampandriana fahalemana ny faritra maro eto an-drenivohitra. Marihana fa ireo zanaky ny tanàna avokoa no hanatanteraka ny asa rehetra noho izy ireny miaina eny anivon’ny fiarahamonina ary mahafantatra tsara ny zavamisy eny an-toerana. Ny fanapahan-kevitry ny Ben’ny Tanàna izany no sisa andrasana dia hiroso amin’ny fanatanterahana ny tetikasa fanadiovana sy fampandriana fahalemana an’Antananarivo ny avy eo anivon’ny « JMM ». Inoana fa tsy hanao ranon’Ikopa tonga namana vao mavomavo izy ireo. « Tsy adidiko Izaho samy irery fa adidiko Izaho sy Ianareo » rahateo, hoy ny Ombalahibemaso. Andrasantsika ny ho tohiny !

Vous aimerez aussi