FAMPIOFANANA HO MPAMPIANATRA EO ANIVON’NY FJKM Hankalaza ny faha 25 taonany ny IFRP Ambodinandohalo

Feno 25 taona amin’ity taona 2023 ity ny IFRP (Institut de Formation et de Recherches Pédagogiques) Ambodinandohalo, izay ivon-toeram-pampiofanana ho mpampianatra eo anivon’ny fiangonana FJKM. Nilaza ny tale amperinasa Docteur ANDRIAR Samuel fa ny famoahana ny gazety “HAY” no tsangambato lehibe hanamarika ny fankalazana izao taon-jaobily volafotsy izao. Etsy andanin’izany dia misy hatrany ny fanatsarana sy fanitarana ireo foto-drafitrasa isan-karazany mba ho fampiroboroboana ity ivotoeram-pampiofanana ity.

Mpampianatra literera sy siantifika

Efa an’arivony ireo mpiofana no nahavita ny fiofanana tao anatin’izay 25 taona izay ka navoaka sy nirahina araka ny fomba FJKM . “Telo taona ny faharetan’ny fiofanana eo amin’ny ivotoerana mba hahazoana ny marim-pahaizana Licence ho mpampianatra taranja siantifika sy literera. Marihina fa manaraka ny rafitra LMD ny fiofanana izay miisa eo amin’ny 60 eo ireo mpampiofana ” hoy ny komity mpitantana ny IFRP. Fantatra ary fa ho tanterahina etsy amin’ny FJKM Andrainarivo amin’ny alahady faha 12 martsa amin’n y 2 ora tolakandro ho avy izao ny fanokafana ny fankalazana ny taon-jaobily.

Vous aimerez aussi