FAMORONAN’ASA Amperiny ny « Menjalia confection »

Robin Lahitody sy Menjalia, nanorina ny « Menjalia confection ».

An-taonany maro no efa nisehatra tamin’ny asa fanamboarana milina fanjairana fampiasa eny anivon’ireo Orinasa afakabaka sy ireo fampiasa an-trano i Lahitody Robin, Rain’i Menjalia Lahitody. Ity farany, izay niasa teny anivon’ny orinasa afakaba misehatra amin’ny tontolon’ny zaitra ihany koa.

Tapa-kevitra ny hanambatra ny talenta nomen-janahary azy avy izy mianaka ireto mba hanampiana ny mpiara-belona. Nanomboka ny fampiofanana ireo tanora liana amin’ny zaitra, teo anivon’ny « Menjalia confection », tany amin’ny taona 2015. Miainga amin’ny fomba fampiasana ireo milina fanjairana izany ary mipaka hatrany amin’ny fananganana akanjo manaraka ny lalana mifehy ny tontolon’ny zaitra manara-penitra, ny fiofanana, izay maharitra iray volana. Tsy nisalasala ihany koa i Robin Lahitody mizara ny traikefa omban’ny haizatra matanjaka efa ananany amin’ny sehatry ny fanamboarana ireo milina fanjairana sy ny fikojakojana azy ireny. Miara-dalana amin’ity fampiofanana ity ihany koa ny fanjairana akanjo sy ny fanaovana « sérigraphie » toy ny fanamboarana « T-shirt », « polo », « combinaison », « maillot », « couvre lit », sns…

Tombony ho an’ireo mpiofana, hoy i Menjalia ny fahafahan’izy ireo manao ny fampiharana avy hatrany ireo fampianarana norantoviny. Nomarihan’i Menjalia Lahitody fa tsy misy diso anjara ny mpanjifa tonga ao amin’izy ireo araka ny fahefa-mividy ananan’ny tsirairay avy. Vinanasa amin’ity 2024 ity ny hampitomboana isa sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny milina ampiasain’ny « Menjalia confection » mba ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny vokatra, hoy i Robin Lahitody. Tsy matahotra fifaninanana ny « Menjalia confection » noho izy ireo manana fomba fiasa matihanina eo am-panatanterahana ny asa ataony. Mendrika fanohanana avy amin’ny « fanjakana » ny ezaka tahaka izao ho fampandrosoana ny firenena !

Vous aimerez aussi