Miroso hatrany amin’ny fampandrosona ny kaominina iadidiany ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika, Ramparaoelina Rado, sy ireo mpiara-miasa aminy. Ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Tanimenabe Ampitatafika, izay toerana hanorenana fotodrafitrasa, dia nampahafantatra ireo mponina ao amin’ny kaominina iandreketany, ny tenany, fa hanorina orinasa hamokatra simenitra eny an-toerana ireo mpandraharaha vahiny tompon’io tany io.
Tombontsoa maro no o azon’ny mponina eny amin’ny kaominina Ampitatafika manoloana io fanorenana fotodrafitrasa io. Manaporofo izany ny fahazoan’ireo tanora sy ny mponina eny an-toerana asa mivantana sy tsy mivantana amin’ny alalan’io orinasa hamokatra simenitra io. Ankoatra izay dia hitondra endrika vaovao sy fanavaozana ny tanàna ho an’ity kaominina eny amin’ny distrikan’Atsimondrano ity ny fijoroan’io fotodrafitrasa io. Ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafikafa , Ramparaoelina Rado, izay nanambara fa mandà ny fikasana tsy hampandroso ny tanàna indrindra fa amin’izao fanorenana orinasa izao. Ny Tanimenaben’ ny kaominina Ampitatafika izay nohazavainy fa an’olon-tsotra tanteraka fa tsy tanim-panjakana no tsy tanin’ny kaominina, ihany koa. Tsy lasan’ny vahiny araka ny feo aely araka izany ny Tanimenaben’ny kaominina Ampitatafika fa an’olon-tsotra izay tompon’ny tany be fa tsy misy hidiran’ny ben’ny tanàna ity fananan’olon-tsotra ity.
Ireo mpifaninana tamin’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika, Ramparaoelina Rado, tamin’ny fifidianana farany teo no nanely tsaho ny amin’izao hijoroan’ny orinasa izao. Izy ireo izay nanambara fa nomen’ny ben’ny tanàna Ramparaoelina Rado, ny vahiny, ny Tanimenaben’Ampitatafika. Antony namaliany io tsaho naely io. Tsy hisy fiantraikany ara-tontolo iainana eny amin’ny kaominina Ampitatafika, ity fanorenana orinasa hamokatra simenitra ity. Izy io izay aorina amin’ny ampahan-tany eny amin’ny Tanimenaben’ny kaominina Ampitatafika ity, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika.
