FAMOKARANA MENAKA Amperinasa ny « Huilerie Industrielle d’Anjozorobe »

Tamin’ity taona 2024 ity no niorina ny orinasa mpamokatra menaka vita avy amin’ny voanjo sy soja, any Anjozorobe. Tafiditra anatin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana fametrahana ireo taniketsa ara-indostrialy « Odof » izay mifototra amin’ny hoe : « Distrika iray manana indostria iray », ny « Huilerie Industrielle d’Anjozorobe » Ny 04 aprily lasa teo no nanomboka nihodina ny orinasa ary namokatra ny « Menaka voanjo » sy « Menaka soja » an’Anjozorobe.

Mampiavaka ny vokatra menaka ao amin’ny « Huilerie Industrielle d’Anjozorobe » ny maha vokatra ara-biolojika azy. Nomarihan-dRandimby Mamisoa Toky, mpitantana azy fa zezika ara-biolojika no entina hambolena ny akora fototra ahitana ny  voanjo izay mahatratra 15 000 tonnes isan-taona,  sy ny soja ity farany izay milanja hatrany amin’ny 80 000 tonnes isan-taona ny vokatra, any Anjozorobe. Tsy mampiasa akora simika entina hitahirizana ny vokatra na loko ihany koa ny orinasa fa vokatra ara-boajanahary « Menaka tsy misy fangarony » tsy ahitana afa tsy voanjo sy soja avokoa ireo menaka ao anaty tavoahangy vokariny, izay, mahatratra arivo litatra isanandro. Azo ambara, araka izany, fa ara-pahasalamana ny mena-boanjo sy soja vokarina anyAnjozorobe » ary sahaza ny rehetra. Nomarihan’ny mpitantana fa « matoy » na matavy ny menaka vokarina ao Anjozorobe. Vokany, mitsitsy ny fampiasana azy any an-tokantrano. Olombelona miisa folo no mifehy ny fampiasana ireo fitaovana fanodinana ny voanjo sy ny soja ho menaka. Tantsaha mpamboly manodidina ny valonjato anatin’ny Kaoperativa hatreto no misitraka tombontsoa avy amin’ny fividianan’ny orinasa ireo vokatr’izy ireo. Tsy ny menaka ihany no azo avy ao amin’ny « Huilerie Industrielle d’Anjozorobe » fa eo ihany koa ny « tourteaux » n’ny voanjo sy soja izay azo atao sakafon’ireo biby fiompy noho izy ahitana proteina sy lipida voajanahary. Ny « tai-menaka » ihany koa dia azo ampiasaina ho amin’ny fikojana ny endrika amam-bika sy fanamboarana savony sy labozia. Marihana fa ankoatry ny any Anjozorobe dia efa tazana eny amin’ireo tsena maro eto an-drenivohitra sy isaky ny boriborintany ary eny amin’ireo hetsika ara-toe-karena isan-karazany ny vokatra menaka vita malagasy sy ara-pahasalamana vokarin’ny « Huilerie Industrielle d’Anjozorobe ».

Vous aimerez aussi