FAMETRAHANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FARITRA VATOVAVY "Hitondra fampandrosoana miainga avy eny ifotony"

Tontosa ny 7 oktobra 2021 lasa teo ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Faritra faha-23 eto Madagasikara, dia i Vatovavy, rehefa avy nandalo dingana sy antanan-tohatra maro. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny vahoakan’i Vatovavy ihany koa ny Governoram-paritra izay vao notendrena nandritra ny Filankevitry ny Minisitra farany dia ny Dr. Randriarison Maurice Lucien. Tanteraka ankehitriny ny veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny vahoakan’i Mananjary fony izy hilatsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena.

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny vahoakan’i Vatovavy ny Governoram-paritra Dr. RANDRIARISON Maurice Lucien.

Nisaotra manokana ireo Ampanjaka, Ndregnony sy ireo Oloben’ny Faritra ihany koa ny tenany izay nanome tso-drano ny fizaran’ny faritra ka tonga amin’izao dingana farany izao. Notsiahivin’ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fandraisam-pitenenany fa natoka-monina sy adino i Mananjary rehefa nesorina taminy ny maha renivohitry ny prefektiora azy tamin’ny taona 1977. Nijanona nanaraka izany ihany koa ny fampandrosoana ny Faritra hoy izy. Tapitra hatreo anefa izany hoy hatrany ny tenany fa haverina amin’i Mananjary ny hasiny sy ny fampandrosoana azy sy ny vahoakany. « Ny fizaram-paritra dia fandaminana ny fitondrana ny raharaham panjakana ary hitondra ny fampandrosoana haingana, mahomby sy manakaiky vahoaka. Araka izany dia ilaina ihany koa ny fampitoviana ny tetikasam pampandrosoana sitrahan’ny faritra tsirairay avy », hoy ny Filoha. Araka izany dia na ho an’i Vatovavy izay vao tonga faritra mahaleo tena, na ho an’i Fitovinany dia hitondra fandrosoana marina ho an’ny distrika, kaominina ary fokontany tsirairay izao fizaram-paritra izao.

Tsy tonga tanam-polo koa anefa ny Filoha fa avy hatrany dia natolotra ihany koa ireo fitaovana goavana hahafahan’ny Faritra manamboatra ireo lalana mampitohy ny distrika sy ny kaominina ao aminy.

Tsy niandry ny fizaram-paritra anefa ny fametrahana ireo tetikasam-pampandrosoana ho an’i Vatovavy. Nisy ny fitsidihana sy fitokanana fotodrafitrasa sy tetikasa maro tao Mananjary, izay notarihan’ny Filoha Andry Rajoelina. Anisan’izany ny fitokanana ny lalana vita rarivato tao Andovosira, izay nampitaraina ny mponina tao Mananjary tokoa ny faharatsiany teo aloha. Teo ihany koa ny fitsidihana ny firosoan’ny asa fanamboarana ny Kianja Manara-penitra ao Mananjary, izay efa vita hatramin’ny 95% ny asa rehetra. “Terrain synthétique” mirefy 96m x 64m manaraka ny maodely anglisy ity kianja ity. Nisaotra sy niarahaba ireo tompon’andraikitra misahana ny tetikasa araka izany ny Filoha Rajoelina, satria mahafinaritra, hoy izy, ny mahita ny fandrosoan’ny asa, ary Velirano nifanaovana tamin’ny mponin’i Mananjary ny fametrahana Kianja Manara-penitra, izay fotodrafitrasa ilain’ny tanora tokoa.

Teo ihany koa ny fitokanana ny Boulevard Maritime izay antsoina hoe Lalan’ny Fampandrosoana, na “Boulevard de l’Émergence” ankehitriny. Hanamarika ny fametrahana ny Faritra Faha-23 tokoa izany, hoy ny Filoham-pirenena, satria tamin’ny fitsidihana farany izay nataony, dia efa simba sy ratsy tanteraka io lalana io, kanefa io no mampifandray ny mponina rehetra ao Mananjary. Vita tanteraka izy ankehitriny ary mbola ho asiana jiro manazava sy mandravaka ny moron’ny lalana, ka hiaraha-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Angovo izany.

Notanterahina teo anivon’ny Biraon’ny Paositra tao Mananjary ihany koa ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy, ny “digitalisation” ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra FRAM eto Mananjary sy ny mpampianatra FRAM rehetra manerana ny Nosy. Amin’ny alalan’ny “Carte VISA” no hanatanterahana izany, ary izao “Digitalisation” izao dia natao mba hisorohana ny fahatarana sy ny tsy fahatongavan’ny karaman’ny mpampianatra ara-potoana, indrindra ho fisorohana ihany koa ny mety ho fahaverezan’ny lelavola amin’ny endriny maro, hoy ny Filoha. Ho tonga ara-potoana ao anaty kaontin’ny mpampianatra tsirairay manomboka izao ny karamany, ary afaka raisina amin’ny alalan’ilay karatra elektronika eny anivon’ireo banky mpiara-miombon’antoka. Azo antoka ihany koa ny fisorohana ny fisandohana satria ny karatra tsirairay dia misy “QR code” ho fiarovana ny tompony. 496 moa no isan’ireo mpampianatra FRAM izay hisitraka an’io karatra VISA fandraisam-karama io ao Mananjary.

Nifarana tamin’ny fety lehibe niarahan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny vahoakan’i Mananjary ity andro manan-tantara nametrahana ny Faritra faha 23 ity. Lanona izay nafanain’ny mpanakanto maro sy ny fandefasana afomanga. Marihana fa tonga nanome voninahitra sy nanotrona ny Filoham-pirenena tao Mananjary ny Praiminisitra, Ntsay Christian, sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, ny Filohan’ny Antenimieran-doholona sy ireo Loholona, ny Filohan’ny Antenimeram-pirenena sy ireo solombavambahoaka, ary ireo Raiamandreny ara-drazana sy Ampanjaka isan-tsokajiny, ary ny vahoaka maro be avy ao amin’ny Faritra Vatovavy.

Vous aimerez aussi