Manoloana ny fahamaizan’ny ala sy ny zava-mananaina ary ny doro tanety indrindra fa ny fahapotehan’ny tontolo iainana dia mivoaka tamin’ny fahanginany ireo avy ao amin’ny Mpisera dia. Izy ireo izay manana paikady ka hanangana izany ho entina amin’izay fiarovana ny tontolo iainana izay. Ny tontolo iainana simba mantsy tsy hahafahan’ny Mpisera dia miasa araka ny tokony ho izy no tsy hahafahan’ny rehetra miaina. Izany indrindra ihany koa no mahatonga ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny tontolo iainana hanome tanana ny rehetra amin’ny famonoana afo eo amin’ny resaka doro ala sy ny doro tanety. Ankoatry ny Ministeran’ny tontolo iainana dia mitondra ny anjara birikiny amin’izao fiarovana ny tontolo iainana izao ihany koa ireo tompon’andraiki-panjakana eny ifotony, ny sehatra tsy miankina, ny fiaraha-monim-pirenena, ny Polisim-pirenena, ny Zandarimariam-pirenena, ny Miaramila sy ireo mpiara-miombon’antoka ary ireo vondron’olona eny ifotony. Tanjona amin’izao fiaraha-misalahy izao ny hanomezana vahana ny lafiny fizahantany eto Madagasikara. Izy io izay sehatra iray hahafahana mampidi-bola ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. Ny fahapotehan’ny zava-boahary anefa dia hanimba ny sehatra rehetra, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Mpisera dia, Rakotonirina Angelo.
Vous aimerez aussi
FIRONGATRY NY DORO ALA SY NY DORO TANETY Mila mandray fepetra ny mpisehatra rehetra
Noho ny firongatry ny doro ala sy ny doro tanety izay manapotika ny firenena Malagasy ankehitriny...HPM-ACS-FMKT-KIMM Miantso fifampidinihana ho an’ny firenena
Fanambarana voalohany niraisan'ny Hery Politika Mitambatra (H.P.M), ny "Amicale des Anciens CST et Senateurs de Madagascar"...JYEUHAIR Hanatanteraka fampisehoana indroa miantoana eny Ambatobe
Hanatanteraka fampisehoana eny amin’ny ONY House Ambatobe, ny 10 sy ny 11 janoary ho avy izao,...