FAHANTRAN’NY MALAGASY : Ezahana afenina fa tsy hitadiavana Vahaolana maharitra

Valalanina tanteraka ny ambanilanitra manoloana ny fihetsiky ny fitondram-panjakana, tarihan’ny filoha hajaina mamim-bahoaka Andry Nirina Rajoelina. Tsy ny fitadiavana ireo vahaolana maharitra hialana malaky amin’izao fahantrana manara-penitra iainan’ny Malagasy izao toy ny famoronana asa, fampiakarana ny fahefa-mividy, fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ary ny fanampiana amin’ny fitaovam-pamokarana, fiofanana ireo TANTSAHA kitro ifaharan’ny asa fampandrosoana sy ny fanamafisana ny lafiny fandriam-pahalemana ambanivohitra sy andrenivohitra.

Tsy ireo no maha maika sy imason’ireo Mpitondra fanjakana ankehitriny fa ny fanafenana ny fisian’ny fahantrana lalim-paka tamin’ny alalan’ny fanamboarana ireo ampahan-dalana ho lalovan’ireo Vahiny hanatrika ny fihaonamben’ireo Nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Tsy ny fanamboaran-dalana ihany no noezahana natao fa teo koa ny asa fanadiovana ireo faritra maromaro ho lalovan’ireo Vahiny. Tsy ratsy ny manadio sy ny manamboatra ireo lalana mila izany fa aoka mba tsy hatao fitaovana sy seho ivelany fotsiny ihany noho ny fandalovan’ireo Vahiny iha y no hanaovana izany. Ny tsara mantsy dia toa asa vonjy tavanabdro no maro tamin’ireo natao tato ho ato ho an’ny amohan- dalana sy faritra vitsivitsy eto an-drenivohitra. Tsy ny hanao tapi-maso amin’ny alalan’ny asa vonjy tavanandro mba ho tako-kenatry ny fahantran’ny Malagasy amin’ireo Vahiny mandalo andro vitsy dia vitsy eto Madagasikara no nifidianan’ny Vahoaka Malagssy ny filoham- pirenena ankehitriny fa ny hitondra fampandrosoana mamaly ireo filan’ny Malagasy. Ireto farany izay tsy mendrika iaina amin’izao fahantrana manara-penitra sy lalim- paka misy sy mitombo andro aman’alina izao. Velirano mafonja hataon’ny filoham-pirenena rahateo izany.

Firenena azo ambara fa niangaran-janahary amin’ny fananana otrikarena maro toy ny volamena, vatosoa, sns ary velaran-tany azo hamokarana tsara i Madagasikara fa dia mahantra indrindra eran-tany ankehitriny ity nosy misarin-tongotra ankavia. Toa ireo Vahiny indray mantsy no mitavana ireo haren’ny Malagasy. Manaporofo izany ny fisian’ireo Harena an-kibon’ny tanin’i Madagasikara misy manondrana “antsokosoko” Tranga niverimberina tokoa tato ho ato. Tsy ny fanafenana ny fahantrana misy eto Madagasikara no hampandroso an’i Madagasikara fa ny fanany Mpitondra sy Vahoaka miaina isanandro vaky ilay atao hoe : Fitiavan-tanindrazana. Rehefa ao amintsika rehetra ny tena Fitiavan-tanindrazana dia ho saro-piaro isika amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena manoloana izao endrim-panjanahana vaovao ezahana haorim-paka eto amin’ny Tanindrazantsika izao indray.

Vous aimerez aussi