EKAR « MASINA MISELY FARALAZA TALATAMATY » Hanolotra « Foaran’ny Tantsaha »

Ny hisian’ny fampivoaram-piainana eo amin’ireo Kristianina izay maroanisa ireo Tantsaha (Mpamboly sy mpiompy) mandrafitra ireo mpino eo anivon’ny Eglisy KAtolika Romanina « Masina Misely Faralaza Talatamaty » mba hahafahan’izy ireo manohana ny Fiangonana sy ny Seminera. Ho fampivoarana sy fampiroboroboana ny Tontolo ambanivohitra eo amin’ny asa fiompiana sy fambolena eny an-toerana. Ireo mitambatra no nanosika ny Vaomieran’asa « Sasem » « Sakaizan’ny Seminera » miaraka amin’ny Pretra tompom-paritany sy Vikera eo anivon’ny Fiangonana, hanatanteraka, ny « Foaran’ny Tantsaha », hotanterahana, ny Sabotsy 29 sy ny Alahady 30 Martsa ho avy izao, etsy amin’ny tokontany malalaky ny EKAR Masina Misely Faralaza Talatamaty.

Samy ho tazana eny an-toerana ny fampirantiana arahana varotra hatolotr’ireo mpikirakira sy mpandraharaha ary Tantsaha matihanina eo amin’ny sehatry ny asa fambolena sy fiompiana. Marihana fa manodidina ny sivy folo isan-jaton’ireo Mpino eo anivon’ny EKAR Masina Misely Faralaza Talatamaty dia misehatra avokoa amin’ny asa fambolena sy fiompiana. Hisy ihany koa ny fampiofanana sy velakevitra malalaka hahafahana manabe voho ny fambolena sy ny fiompiana toy ny sehatry ny fampitaovana sy ny famatsiam-bola. Manodidina ny zato mahery ireo tranoheva ho tazana eny an-toerana, hoy ireo mpikarakara. Marihana fa hisy ihany koa ny fampirantiana ireo asa tanana sy tolotra ho amin’ny fanatsarana ny asa fanabeazana hiara-dalana amin’ity « Foaran’ny Tantsaha » ity. Manentana ireo mpisehatra eo amin’ny fambolena sy fiompiana eto anivon’ny Diosezin’Antananarivo sy ireo Zanaka ampielezan’ny Fiangonana EKAR Masina Misely Faralaza Talatamaty , araka izany, ny Vaomieran’asa « Sasem » eo anivon’ny EKAR Masina Misely Faralaza Talatamaty mba handray anjara mavitrika amin’ity « Foaran’ny Tantsaha » andiany voalohany ity. Azo ambara ho tolo-tanana avy amin’ny Fiangonana ho fanampiana ireo Tantsaha eny Talatamaty, araka izany, ny hisian’ity « Foaran’ny Tantsaha » ity.

Marihana fa andalana ho amin’ny fanorenana ny trano ho an’ny Pretra ankehitriny ny eo anivon’ny EKAR Masina Misely Faralaza Talatamaty izay hahitana trano fanaovam-pety ho an’ny Fiangonana ihany koa. Ankoatry ny fanohanana ny Seminera izay sehatra hanabeazana sy hamolavolana Pretra dia handray anjara mavitrika ho amin’ny fanohanana ny asa fanorenana ihany koa ny « Vaomieran’Asa Sasem » eo anivon’ny EKAR Masina Misely Faralaza Talatamaty. Hisy ireo mpanakanto tsy ampoizina hanokatra sy hamarana ny « Foaran’ny Tantsaha » etsy Faralaza Talatamaty, ny Sabotsy 29 sy Alahady 30 martsa ho avy izao. Hiara-dalana, araka izany, ny mahasoa sy ny mahafinaritra !

Vous aimerez aussi