Dokotera Naina, mitondra ny laharana faha- 05 anatin’ny Biletà tokana ho amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina hotanterahana, ny 11 desambra ho avy izao. Mirotsaka amin’ny anaran’ny mahaleo tena. Tsy atoro voanjo hadiana amin’ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny Kaominina i Andrianarison Harinaina Olivier « Dr Naina » noho izy efa ben’ny tanànan’Ambohimangakely nandritra ny roa ambinifolo taona. Nanamarika ny lehilahy fony izy nitantana ny Kaominina Ambohimangakely ny fitakosonana akaiky tamin’ireo mponina sy ny fahatsorana ananany. Olon’ny fifanakalozan-kevitra ihany koa izy.
Maro ireo foto-drafitrasa vitan’ny Dokotera Naina ho an’ireo fokontany miisa valo ambinifolo mandrafitra ny Kaominina Ambohimangakely tamin’ny fotoam-pitondrany izay nanampy betsaka ireo mponina ny fisian’izy ireny. Ampahany amin’ireny ny nananganany ny biraon’ny Kaominina Ambohimangakely, ny taona 2008, fanorenana ny Lycée Ambohimangakely (2009), izay volan’ny Kaominina madiodio no nahafahana nanorenana ireo efitrano fampianarana miisa enina ambinifolo, CEG eny Antanetibe Ikianja sy Soamanandrariny, ny Hopitaly niaraha-niasa tamin’ny fanjakana faobe, ao Tsarahasina, ny toerana fanofanana arakasa ho an’ireo tanora, fanamboaran-dalana, fampitaovana ny Zandarimarian’Ambohimangakely tamin’ny alalan’ny fanolorana fiarakodia tsy mataho-dalana, fananganana ny tsena eny Mahazo ho fitsinjovana ireo mpivarotra. Fananganana ny biraon’ny fokontany eny Tsarahasina.
Mbola maro ireo asa fampandrosoana mila tanterahana ho an’ireo mponin’Ambohimangakely, hoy i Dokotera Naina. Ampahany amin’ireny ny fanorenana tsena vaovao ao Antanambao (Akaikin’ny tetezana), fanamboarana sy fanatsarana ireo lalana tsy nisy fikojakojana, fanavaozana sy fanamboarana ireo ivon-toeram-piofanana arakasa ho an’ireo tanora. Fanitarana ireo efitrano fianarana efa misy ao amin’ny Lycée Ambohimangakely sy ny CEG. Hamoraina ny fikarakarana taratasy eo anivon’ny Kaominina Ambohimangakely toy ny fanamboarana « Bulletin de naissance », karampanondrom-pirenena, sns mba tsy ho lany fotoana amin’ny fanamboarana izany ireo mponina. Ezahina ny hitondra fampitaovana ny Hopitaly toy ny fitaovam-pitarafana « radio » amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Hamafisina ny lafiny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny fampitaovana ireo mpitandro ny filaminana. Maro ireo asa sosialy nataon’ny Dr Naina toy ny didimpoitra faobe, fanomezana kopia faobe, sns hotohizana hatrany ireny, hoy izy ho fanampiana ny mponina. Nanentana ny mponin’Ambohimangakely i Dr Naina mba hahay hifidy izay heveriny fa hitondra ny tena fampandrosoana ho azy ireo mba tsy ho tratry ny nenina. Tsy hanaiky lembenana amin’ny mety hisian’ny halabato ny Kandidà Dr Naina Ambohimangakely.