Tao anatin’ny 30 taona no nijaly tamin’ny fitaovana fandefasana ny haino aman-jerim-panjakana ny TVM sy ny RNM, ao amin’ny distrikan’Iakora. Zara raha nandre vaovao tamin’izay haino aman-jery izany ny mponina any an-toerana. Nanao tatitra tamin’ny vahoaka tany an-toerana ny depiote voafidy ary nilaza tamin’ny mponina sy ny tale-paritry ny serasera ao amin’ny distrika, fa efa miverina amin’ny laoniny nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ny TVM sy ny RNM ao amin’ny distrika amin’izao fotoana izao, raha nijaly nandritry ny taona maro ny vahoaka tao amin’ny distrika, hoy izy. Nahazo “Emetteur” sy « Camera » matanjaka avy tamin’ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina ny distrikan’Iakora ary nankasitraka ny fitondram-panjakana tamin’ny fahazoana izao fitaovana izao ny depiote sy ny tale-paritry ny serasera. Faly aoka izany ny mponina any an-toerana, hoy ny solombavambahoaka avy any an-toerana, satria, afaka manaraka vaovao amin’izay izy ireo amin’izao fotoana izao. Mbola nangataka tamin’ny fitondram-panjakana ny depiote, fa mbola misy ireo distrika no tsy manana fitaovana fampitam-baovao amin’ny haino aman-jerim-panjakana izay efa antitra sy simba ny sasany, ka tokony ho soloina ny fitaovana ampiasain’izy ireo, hoy ny fanazavana voaray.
Vous aimerez aussi
FANJA N°1 ANDOHARANOFOTSY « Ny fahantrana no fahavalo iombonana… »
« Vinam-pampandrosoana efa maty paika mamaly ireo filan’ny mponina mifototra amin’ny fampiharana ny fitantanana mangarahara eo anivon’ny...DR NAINA – AMBOHIMANGAKELY Vonona hanohy ireo asa fampandrosoana…
Dokotera Naina, mitondra ny laharana faha- 05 anatin’ny Biletà tokana ho amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy...FANAMPIANA IREO MANA-MANJO Amperinasa ny « Maison funéraire Henikaja »
Ho fanampiana sy fanaimavanana ny fahasahiranan’ireo fianakaviana nidonam-pahoriana noho ny famoizana havana ary koa ho fanatanterahana...