Ain’olombelona miisa 06 no nafoy, omby an-jatony no lasan’ireo dahalo ary nisy ihany koa mponina tao an-tanàna lasa takalonain’ireo olon-dratsy. Io no vokatry ny fanafihana mahery vaika nataon’ireo dahalo, tao amin’ny kaominina Bemahatazana sy Mahasolo, ny faran’ny herinandro dila teo iny.
Mila fandrindran’asa
Anisan’ny antony nahatonga ny fanafihana nataon’ireo dahalo tany an-toerana ny fifanoloana tsy maintsy atao saika isaky ny telo na enimbolana eo amin’ireo vata miaramila mandrafitra ny vondron-tafika iraisam-piadiana misahana ny ady amin’ny dahalo.
Vokany, manararaotra ny fotoana banga tsy hisian’ny mpitandro ny filaminana eny anivon’ny fiarahamonina ireo dahalo ka manao ny danin’ny kibon’izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa fanafihana, ao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy.
Manaitra ny sain’ireo tomponandraikitry ny fampandriana fahalemana, araka izany, ireo mponina ao amin’ny distikan’i Tsiroanomandidy mba hametraka fomba fiasa mirindra kokoa tsy hahalava loatra ny fahabanga-toeran’ireo miaramila manokana miady amin’ny asan-dahalo any an-toerana. Hatramin’izao fotoana hanoratana izao, mbola mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny mponina sy ny mpitandro ny filaminana ireo dahalo, ao amin’ny faritra manodidina ny kaominin’i Bemahatazana sy Mahatsinjo, nisian’ny asa fanafihana mahery vaika, ny faran’ny herinandro teo.