DIHY MALAGASY Fantaro ny « Kadrila malagasy »

Ny kadrila dia fanononana malagasy ny teny vahiny hoe « Quadrille ». Dihy fanao tao androva rehefa misy lanonan-dehibe tamin’ny andro faha mpanjaka.

Dihin’olondroa lahy sy vavy manao andiany efatra farahafahakeliny ny « kadrila malagasy ». Manana ny hira natokana ho azy ny « kadrila malagasy » izay gadona tena malagasy ary arahin’ny tsinjaka sy ny famindra miaraka aminy.

Ankoatry ny ravaky ny dihy malagasy toy ny lantsitanana, ny tsipisandry, ny dihy soroka ary ny doladola sy ny angola dia manao kisarisary ireo andiany. Mety ahitàna endrika farimbona mifaribolana, mitanjozotra na mikilafiny na koa mifanatrika. Mifampiarahaba sy mifampitsaoka. Ny fitafy sy ny fianjaikàna dia maneho haja sy voninahitra. Ny lamba ho an’ny rehetra miampy ny taovolo ho an’ny vehivavy. Mandritry ny seho dia misy ny hira fidirana anehoan’ny mpandihy ny haingo sy ny endrika amam-bika. Misy koa ny hira fivoahana anatin’ny haravoana sy ny hafaliampo, fanehoana fanajàna sy fisaorana ihany koa. Tany ampiandohàna dia soradihy karazany 5 hatrany no aseho amin’ny kadrila miampy ny hira fidirana sy fivoahana. Taty aoriana dia afaka nodihizina tsirairay ny kadrila. Miovaova ihany koa araka ny velaran’ny efitra, ny fotoana voatokana ho azy sy ny isan’ireo mpandihy, araka izay fanirian’ny mpikarakara ny lanonana.

Marihana fa efa misy ny tarika « Kadrila malagasy » izay tarihan’ny filohany Mitantsoa Jocelyn. Rodolphe Razafindramboa no filoham-boninahitra. Tanjona ho azy ireo ny hampahafantatra sy ny hanaparitaka ny dihy « Kadrila malagasy » ho an’ireo taranaka mifandimby. Misy rahateo ny fampianarana ny « Kadrila malagasy » etsy amin ‘ny LMA Ampefiloha, isaky ny sabotsy maraina. Manao antso avo ho an’ny minisitera mpiahy ny kolontsaina, araka izany, mba handray anjara mavitrika amin’ny fanampiana ny sehatrasa tahaka izao ahafahana mitahiry hatrany ny soatoavina raiketin’ireo kolontsaina toy ny dihy « kadrila malagasy ». Fitaizam-batana, saina ary fanahy feno tokoa mantsy ny dihy tahaka ny « Kadrila malagasy » koa mendrika sy rariny raha omena tolo-tanana toy ireo sehatra efa misitraka izany.

Vous aimerez aussi