DEPIOTE RAZAFINDRABARY RICHARD Miatrika asa avy hatrany

Laharaham-pahamehana ho an’ny Solombavambahoakan’Ambatofinandrahana Razafindrabary Richard ny famatsiana rano fisotro madio an’Ambatofinandrahana. Anatin’ny telovolana raha ela indrindra, hoy ny lehilahy dia efa hisitraka rano ny mponina any an-toerana amin’ny alalan’ireo « borne fontaine » Iaraha-mahalala ihany koa fa tsy ho ela dia hiverina an-tsekoly ireo zaza malagasy. Ho fiatrehana izany indrindra dia hisy ny asa fanavaozana, fanamboarana ary fampitaovana ireo Sekoly any an-toerana. Tafiditra anatin’izany ny fanolorana dabilio, fanavaozana ny efitrano fianarana, sns…

Ho an’ny tontolon’ny fambolena dia efa an-dalana ny asa fikojakojana ireo tohadrano sy fisavana ireo lakandrano mialoha ny fahatongavan’ny fotoam-pahavaratra ankehitriny ireo tompon’andraikim-panjakana voakasik’izany any an-toerana. Anisan’ireo mandray anjara mavitrika ho amin’ny fanatanterahana sy fanamorana ny asa ny Solombavambahoaka Razafindrabary Richard. Ity farany izay mahafantatra tsara ny zavamisy eo anivon’ny tontolo ambanivohitra noho izy Zanaky ny faritra sy efa filohan’ny « Tranoben’ny Tantsaha » nandritra ny 15 taona. Amperiny amin’ny fanaovana ny voly vary an-tanety sy ny fambolena voanjo ihany koa ireo Tantsaha ao Ambatofinandrahana ankehitriny.

Tsy diso anjara amin’ny sehatr’asam-pampandrosoana efa tanterahana ao Ambatofinandrahana ankehitriny ireo mpiompy amin’ny alalan’ny fizarana zanaka akoho, ho fanatsarana ny « Akoho gasy » any an-toerana sy masomboly « Voan’anana ». Misy hatrany ny fampiofanana ireo mpisehatra amin’ny asa fiompiana sy fambolena. Tsy ho ela ny fanatanterahana ilay « Foaram-bokatra lehibe » izay hikendrena ny fampihaonana ireo mpisehatra amin’ny fambolena (Tantsaha, mpandraharaha mpivarotra fitaovam-pamokarana, Banky, sns) mba ho fampitomboana hatrany ny vokatra sy hirosoana miandalana amin’ny seham-pamokarana matihanina. Hiara-midinika miaraka amin’ireo rafitra an-tana-tohatra misahana ny harena an-kibon’ny tany ihany koa ny ahafahana mametraka rafitra manaraka ny lalàna ahafahana mifehy ny fitrandrahana azy ireny mba ahafahan’ireo Kaominina misitraka ireo tombontsoa azo avy amin’izany. Tsy iandrasana ny fanjakana foibe ihany koa ny fanamboarana ireo lalana izay hita fa antoky ny famoaham-bokatra any an-toerana, hoy ny Solombavambahoakan’Ambatofinandrahana Razafindrabary Richard fa hisy ny fiaraha-miasa amin’ny faritra amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana lehibe fanamboaran-dalana. Tsy hadinoina ny fanomezana fialamboly mahasoa ireo Tanora any an-toerana toy ny fikarakarana fifaninanana lalao ara-panatanjahatena hialana amin’ny fidonanam-poana mety hitarika amin’ny fidorohana.

Vous aimerez aussi