DEPIOTE RAZAFINDRABARY RICHARD « Miara-dalana ny fanaovana tolo-dalana sy ny asa fampandrosoana »

Ankoatry ny maha mpamolavola tolo-dalana ireo Solombavambahoaka eny anivon’ny Antenimieram-pirenena dia manana andraikitra ho amin’ny fanomezan-tanana amin’ny fanamorana ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana marolafy iaraha-misalahy amin’ireo rantsa-mangaika eny ifotony toy ny eo anivon’ny fokontany, kaominina, distrika ary ny faritra ihany koa ny Solombavambahoaka, hoy Razafindrabary Richard, Solombavambahoaka any Ambatofinandrahana.

Ho an’ity Solombavambahoaka izay tsy atoro voanjo hadiana amin’ny tontolo ambanivohitra ity dia efa manana tolo-dalana manokana ho an’ireo Tantsaha izy. Tolo-dalana izay mirakitra ny fahafan’ireo Tantsaha misitraka fisotroan-dronono sy ny fanorenana Banky manokana ho azy ireo ho amin’ny fanitarana sy fanohanana hatrany ireo asam-pamokarana izay ataony.

Ho an’ny fohy ezaka kosa dia an-dalana ho amin’ny fikojakojana ireo tohadrano sy fisavana ireo lakandrano mialoha ny fahatongavan’ny fotoam-pahavaratra ankehitriny ireo tompon’andraikim-panjakana voakasik’izany any an-toerana. Anisan’ireo mandray anjara mavitrika ho amin’ny fanatanterahana sy fanamorana ny asa ny Solombavambahoaka Razafindrabary Richard. Ity farany izay mahafantatra tsara ny zavamisy eo anivon’ny tontolo ambanivohitra noho izy Zanaky ny faritra sy efa filohan’ny « Tranoben’ny Tantsaha » nandritra ny 15 taona. Amperiny amin’ny fanaovana ny voly vary an-tanety sy ny fambolena voanjo ihany koa ireo Tantsaha ao Ambatofinandrahana ankehitriny.

Tsy diso anjara amin’ny sehatr’asam-pampandrosoana efa tanterahana ao Ambatofinandrahana ankehitriny ireo mpiompy amin’ny alalan’ny fizarana zanaka akoho, ho fanatsarana ny « Akoho gasy » any an-toerana. Misy hatrany ny fampiofanana ireo mpisehatra amin’ny asa fiompiana sy fambolena. Tsy ho ela ny fanatanterahana ilay « Foaram-bokatra lehibe » izay hikendrena ny fampihaonana ireo mpisehatra amin’ny fambolena (Tantsaha, mpandraharaha mpivarotra fitaovam-pamokarana, Banky, sns) mba ho fampitomboana hatrany ny vokatra sy hirosoana miandalana amin’ny seham-pamokarana matihanina. Hiara-midinika miaraka amin’ireo rafitra an-tana-tohatra misahana ny harena an-kibon’ny tany ihany koa ny ahafahana mametraka rafitra manaraka ny lalàna ahafahana mifehy ny fitrandrahana azy ireny mba ahafahan’ireo Kaominina misitraka ireo tombontsoa azo avy amin’izany. Eo amin’ny lafiny fanabeazana, an-dalana ny fanamboarana ireo efitrano fianarana izay hita fa mila fanarenana maika. Tafiditra anatin’izany ny fanolorana dabilio, fanavaozana ny efitrano fianarana , sns. Tsy iandrasana ny fanjakana foibe ihany koa ny fanamboarana ireo lalana izay hita fa antoky ny famoaham-bokatra ao Ambatofinandrahana, hoy ny Solombavambahoakan’Ambatofinandrahana Razafindrabary Richard fa hisy ny fiaraha-miasa amin’ny faritra amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana lehibe fanamboaran-dalana. Tsy hadinoina ny fanomezana fialamboly mahasoa ireo Tanora any an-toerana toy ny fikarakarana fifaninanana lalao ara-panatanjahatena hialana amin’ny fidonanam-poana mety hitarika amin’ny fidorohana.

Vous aimerez aussi