Anisan’ny nitaraina sy nanao antso avo tamin’ny orinasa Jirama mihitsy ireo mponina teny amin’ny boriboritany faharoa, fa nisedra olana tamin’ny fahatapahan’ny jiro sy ny rano izy ireo. Nanomboka ny zomà ka hatramin’ny alahady teo ary mbola nitohy hatramin’ny alarobia izany. Amin’ny 11 ora alina dia tapaka ny rano. Milahatra rano ny mponina. Efa misy mpikarama mitaona rano amin’ny bidao, ka 1000 ariary ka hatramin’ny 2000 ariary ny bidao, 20 litatra iray. Mampiakatra ny vidin’ny rano koa ireo mpikarama, hoy ny tompon’andraikitra iray nanaovana ny fanadihadiana.
Ho an’ireo “cybercafé”, mpanao volo, sy mpivarotra hazandrano amin’ny vata fampangatsiahana, dia nisedra olana tamin’ny tsy fisian’ny jiro koa izy ireo. Simba ny entana sy ny fitaovana rehetra ary nody maina ireo mpanao volo sy ireo mpanao “connexion”. Maharitra ora iray na 30 minitra ny fahatapahan’ny jiro. Ny rano no tena loza, satria, tsy maintsy nanangon-drano amin’ny alina ireo mponina hisasana maraina alohan’ny handeha hianatra sy hiasa. Manginy fotsiny ny fijalian’ireo mpianatra, izay mampiasa labozia na jiro fanao am-paosy (lampe de poche) amin’ny alina hianarana. Am-polony ny fitarainana voarain’ny boriboritany faharoa mikasika ny rano sy jiro tapaka. Noho ity farany, dia mirongatra ny vaky trano sy ny vaky lakozia. Maizina ny tanàna. Fokontany 24 tsy misy jiro ao amin’ny boriboritany faharoa no ezahin’ny delege hasiana takamoa, ialàna amin’ny fahamaizinana sy ny tsy fandriampahalemana, hoy ny fanazavana azo.
![](https://i0.wp.com/www.agencemalagasydepresse.com/media/2019/10/initial-amp.png?resize=100%2C100&ssl=1)