Niampy 2 indray ireo namoy ny ainy noho ny tsimokaretina coronavirus, araka ny fanambarana ofisialy androany. 12 izany no isan’ireo maty hatrizay.
Samy notsaboana tetsy Befelatanana izy ireo, ka ny iray lehilahy 42 taona, ny iray kosa vehivavy 63 taona.
Miisa 27 kosa indray ny isan’ny tranga vaovao, ka 21 teto Antananarivo (Manjakaray, Ambohidratrimo, Ankadivoribe, Miandrarivo, Ampefiloha, Soanierana Namontana), 3 Toamasina ary 3 hafa tao Mahajanga.
Fitiliana miisa 267 no nahitana io vokatra io.
Mitontaly 1 317 izany no efa voan’ity tsimokaretina ity teto amintsika.
Betsaka kosa anefa no sitrana tamin’ity andro ity, satria nahatratra 33 izy ireo, ka ny 31 dia tao Toamasina ary ny 2 teto Antananarivo. 417 izany ireo efa sitrana hatrizay.
Miisa 889 kosa ireo mbola tsaboana, ka 6 ireo manana fahasarotana.
Mitontaly 16 093 kosa ny isan’ny fitiliana rehetra natao hatrizay.
Mitohy ny ady
Mbola mitohy hatrany ny ady atao amin’ity tsimokaretina ity. Mihamafy àry izy izao satria efa manomboka miala amin’ny fihibohana ny faritra maro.
Andanin’izany efa miha-mamirifiry ny toetr’andro ka ankafizin’ity tsimokaretina ity. Ilaina indrindra noho izany, ny fiarovana amin’ny hatsiaka satria mampihetsika aretina maro koa izy io.
Zava-dehibe, araka izany, ny fihinanana sakafo mafana sy ara-pahasalamana.
Tsy tokony hadino hatrany ny sarontava sy ny fisasana tànana.