CORONAVIRUS Mitontaly 90 ireo sitrana

Mitontaly 90 hatreto ireo olona sitrana tamin’ny valanaretina coronavirus eto amintsika. Nisy 8 indray manko no sitrana tamin’ity alarobia ity, izay nanampy ireo 82 omaly.

Mihatsara hatrany, araka izany, ny vokatra satria tsy nisy tranga vaovao voatily androany.

Noho izany, 38 sisa ireo tsaboina eny amin’ny hopitaly manerana ny Nosy eny. Ary tsy misy atahorana loatra ny toe-pahasalaman’izy ireo. Ny maty koa tsy misy ary irina ny tsy hampisy izany.

3.107 no voatily

Miisa 3.107 hatreto no isan’ny olona voatily tamin’ity aretina ity, izay nahazoana ireo vokatra ireo.

Tsy mijanona amin’ny fitiliana  anefa ireo tompon’andraikitra, ka manohy izany amin’ireo olona ahiana. Anisan’izany ireo fianakavian’ireo olona efa voa sy izay mifanerasera taminy hatrizay.

Izany no fomba hamehezana tanteraka ny fiparitahan’ny aretina. Soa fa tsy mbola misy ny fihanaky ny tsimokaretina ka voatery nanaovana fitiliana Fokontany iray manontolo.

Mila fehezina

Mila fehezina hatrany anefa ny tsy hiparitahan’izy ity. Ny fifehezan-tenan’ny tsirairay ihany no antoka ahazoantsika mandresy ny aretina satria tsy hisy mpitandro filaminana hanara-maso anao any an-tokantrano any.

Tokony ho efa mahazatra ny fisasan-tànana matetika, ankehitriny.

Rehefa voahaja ny fepetra rehetra dia tsy misy ny ahiana loatra, indrindra ho an’ireo olona mampiasa fiarovana hafa, toy ny evoka,…

Vous aimerez aussi