CORONAVIRUS : Faha-25 ahiana i Madagasikara

Faha-25 amin’ny firenena aty Afrika ahiana hahatongavan’ny tsimokaretina Coronavirus i Madagasikara. Fantatra io araka ny fanadihadiana nataon’ny Oniversiten’i  Southampton any Angletera.

Na izany aza, ambany dia ambany ny taham-panahiana mety hahazoantsika io tsimokaretina io, satria 0,91% izany. Firenena faha-3 ahiana amin’izany kosa ny Nosy Maorisy.

Fivezivezen’ny sinoa

Nifototra tamin’ny fivezivezen’ny mponina sinoa, amin’izao  taom-baovaon-dry zareo izao moa  ny  fanadihadiana.

Fety lehibe indrindra amin’ny sinoa tokoa manko ity taom-baovao ity noho ny fihaonan’ny mpianakavy maneran-tany.

Miovaova ny daty fankalazana azy, saingy mitontona matetika  anelanelan’ny 21 janoary sy 20 febroary izany.

Ho an’ny taona 2020 dia nanomboka ny 25 janoary teo izy io ary haharitra 16 andro.

Ary dia natao ho andro tsy fiasana mihitsy ny 24 janoary ka hatramin’ny 30 janoary lasa teo.

Voalavo

Voamarika amin’ny biby iray hatrany ny taona, ka ny voalavo ny ho amin’ity taona 2020 ity.

Araka ny fanahiana dia avy amin’ny ramanavy ny tsimokaretina Coronavirus ary nisy olona  nihinana izany. Tsy mbola voamarina ara-tsiansa  tsara anefa izany na dia manana tsimokaretina mitovitovy amin’io aza ity biby ity. Nambaran’ny manam-pahaizana fa na eo aza izany dia tsy ampy hahaforona ny Coronavirus raha ity biby ity irery.

Rehefa nohalalinina moa dia ny olona marefo sy efa zokinjokiny no voa sy matin’ity tsimokaretina ity.

Raisina ny fepetra

Manoloana ny fiombon’ny aretina dia efa maka fepetra ny firenena afrikana maro amin’ny fanakatonana ny sisin-taniny sy ny fanafoanana ny sidina avy any Chine.

Araka izany, irina ny tsy hiakaran’ny laharan’i Madagasikara tamin’ny fanadihadiana nivoaka ny 25 janoary lasa teo ity, amin’ny fanahiana ny fidirian’ny tsimokaretina eto.

Takom-bava

Ankoatra ny fiarovana ny seranana eto amintsika dia tsikaritra ihany koa ny fitombon’ny olona mampiasa sahady ny takom-bava, indrindra ireo mpiasa eny amin’ny fivarotan’ny sinoa.

Na tsy misy aza ny fahatongavan’ny entana vaovao taorian’ny fiparitahan’ny tsimokaretina tany an-toerana dia efa mba miaro ny tenany sahady ny tsirairay.

Mandeha dia mandeka koa ny fivarotana ity takom-bava ity eny amin’ny farmasia, izay jifaina  500 hatramin’ny 1.500 ar.

Vous aimerez aussi