CORONAVIRUS 83 ny tranga vaovao teto Antananarivo

Nisy tranga miisa 84 vaovao voatily androany ka ny 83 dia teto Antananarivo avokoa, 1 tany Toamasina. Miisa 543 ny fitiliana nataon’ireo laboratoara telo nahazoana ity tarehimarika ity. Tafakatra 1 724 araka izany ny isan’ireo voa hatramin’izay.

Nisy 40 kosa no sitrana androany, ka 24 tao Toamasina, 13 Antananarivo, 2 Taolagnaro ary 1 Matsiatra Ambony. Miisa 732 izany ireo sitrana hatrizay.

Miisa 978 kosa ireo an-dàlam-pitsaboana, ka ny 11 amin’izy ireo no manana fahasarotana ara-pisefoana.

Mijanona ho 15 kosa ny isan’ireo namoy ny ainy.

Ary 19 027 ny isan’ny fitiliana vita hatrizay.

Ho hentitra ny tompon’andraikitra

Manoloana ny tarehimarika tsy mitsaha-mitombo eto an-drenivohitra no nakan’ny Tompon’andraikitra fepetra hentitra indray. Nisy, noho izany, ny famoriana ireo tompon’andraikitra samihafa, hatreny amin’ny Fokontany, ahazoana manarina ny fakana fepetra manoloana ny ady amin’ity valanarertina ity.

Nomarihina fa mbola maro ny Fokontany ahitana mpampiady akoho, manao baolina, ….sy izay mety mampitangorona ny olona.

Eo ihany koa ny fisiam-pahafatesana maro, izay mampanahy ny mponina, any amin’ny faritra Ambohimanarina iny ka tsy mbola ahitam-baliny marina hatreto.

Vous aimerez aussi