Tranga vaovao miisa 61 no voatily androany, araka ny fanambarana ofisialy. Tao anatin’ny fitiliana miisa 319, izay nataon’ny laboratoara telo no nahitana azy ireo. Mitontaly 1 378 izany ny voan’ity tsimokarertina ity hatrizay.
Ny 52 tamin’ireo tranga vaovao ireo dia teto Antananarivo avokoa (Ambanidia, Ampitatafika, Andohatapenaka, Tsaramasay, Bemasoandro Itaosy), 3 tao Antsirabe, 2 tao Toamasina, 2 tao Sainte Marie,1 tao Tsiroanomandidy ary 1 tao Moramanga.
Ho setrin’izany anefa dia maro ihany koa no sitrana, izay nahatratra 33, ka 26 teto Antananarivo ary 7 tao Toamasina. Miisa 450 kosa izany ny isan’ny sitrana rehetra.
917 kosa ireo mbola tsaboana, ka 8 amin’izy ireo no manana ilay fahasemporana.
Mitontaly 16 402 kosa no isan’ny fitiliana vita hatrizay.
Mitombo hatrany
Mitombo hatrany ny tarehimarika nandritra ny andro vitsivitsy izay.Tsy vitan’izany fa mihanaka amin’ny faritra hafa koa ilay tsimokaretina. Nohalefahana anefa ny fepetra fihibohana.
Asa na tsy ampy ny ftandreman-tenan’ny tsirairay na ny tsimokaretina mihitsy no efa ao. Na izany aza, ilaina fatratra ny fitandroana ny fiarovana.
Ny fihibohana an-trano ihany no zava-dehibe. Ary ny sarontava ho an’izay tsy maintsy mivoaka.Tandrovina hatrany fahadiovan’ny tànana.